Fanadihadiana Manokana

ANKIZIN’NY LALANA: Antoka amin’ny fiatrehana ny hoavy ny fananana kopia

Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ireo ankizin’ny lalana ny 12 aprily. Lohahevitra miompana amin’ny zo tokony hananana kopia nahaterahana no navoitra tamin’ity taona ity. Tsy manana izay kopia izay mantsy ny ankamaroan’ireo ankizin’ny lalana ka tsy afaka misitraka ireo zo maro mitovy amin’ny ankizy rehetra izy ireo. Natomboka tamin’ity volana aprily ity ny hetsika fitsirihana ireo ankizin’ny lalana mbola tsy manana kopia ka hisy ny fizarana kopia faobe hotanterahana amin’ny volana jona 2025.

Rehefa miresaka hoe ankizin’ny lalana dia azo sary an-tsaina avy hatrany ny fisian’ireo zaza maro mangataka amina toerana samihafa eto an-drenivohitra. Ao ihany koa ireo ankizy miditra sahady amin’ny tontolon’ny asa ka eny an-kalamanjana sy any anaty fiara fitateram-bahoaka no birao fiasany isan’andro. Tsy mijanona hatreo amin’izay heritreritry ny ankabeazan’ny olona izay anefa, tsy ny ankizy monina, na matory, na ihany koa teraka teny an-dalana fotsiny ihany no atao hoe ankizin’ny lalana. Sokajiana ho ankizin’ny lalana koa ireo ankizy manana tokantrano kanefa tsy maintsy miasa eny an-dalana amin’ny atoandro mba hahazoany miana sy mahaleo tena. Ankoatra io, mbola tafiditra ao anatin’ny sokajin’ny ankizin’ny lalana hatrany ireo ankizy sady tsy miasa no tsy matory eny kanefa taritin’ny olona mpiahy azy fotsiny ho eny amin’ny toerana iraisam-bahoaka (lieux publics) mandritra ny andro iainany na mandritra ny fotoana maharitra.

Maro ny antony mety mahatonga ireo ankizy ho lasa mpirenireny eny an-dalana. Ao ireo izay niharan’ny herisetra ka lasa fialofana ho azy ny eny an-dalambe. Ao ihany koa ireo ankizy izay nahiliky ny fianakaviany na nitsoaka mihitsy aza. Fa ny iraisan’ny ankamaroan’ireo ankizy dia ny fahantrana, ny tsy fisiana no antony nahatonga azy ireo ho lasa eny an-dalana. Izany hoe misy ireo ankizy avy amina fianakaviana sahirana sy marefo ka na dia tsy ampy taona aza izy, dia sy maintsy manao izay mahavelona ny tenany. Miasa sy mitady eny amin’ny arabe eny.

Ivontoerana vitsy eto an-drenivohitra

Anisan’ny sehatra mpiahy ireo ankizin’ny lalana eto Madagasikara moa ny PFSCE (Plateforme de la Société Civile pour l’Enfance) na ny vovonana iombonan’ny fiarahamonim-pirenena izay miantsehana amin’ny ankizy sy amin’ny zon’izy ireo. Ivontoerana, fikambanana eto an-toerana na avy any ivelany miisa 66 hatreto no miara-miomboka ao. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 50 000 ny ankizy eto Madagasikara sahanin’ireo fikambanana ireo. Ho an’Antananarivo  manokana, nambaran’ny tompon’andraikitra fa mbola vitsy ireo fikambanana mandray an-tanana ireo ankizin’ny lalana. Tsy mihoatra ny 10 izy ireo kanefa eto an-drenivohitra no toerana voalohany ahitana ankizin’ny lalana maro eto Madagasikara, indrindra ao amin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra. Mbola sakana tsy hahafahana mampiroborobo ireo fikambanana mpandray an-tanana ny ankizin’ny lalana eto amintsika ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, na eo amin’ny lafiny arak’olona izany, ara-bola sy ara-potodrafitrasa. Ankoatra io dia mbola miankina amin’ny famatsiam-bola ihany koa ireo fikambanana ireo ka voafetra mifanaraka amin’izany ny asa tanterahany.

Noho izany zava-misy izany dia miahy ireo ankizin’ny lalana amin’ny antoandro fotsiny ihany ny ankamaroan’ireo fikambanana eto amintsika. Miverina any an-tokantrano sy any anivon’ireo Ray aman-dReny ny ankizy rehefa amin’ny alina. Mbola sakana tsy hahafahana tena mampivoatra ireo ankizin’ny lalana araka ny tokony ho izy  izany. Anisan’ny nitondra fitarainana mahakasika izany i Olivier, tovolahy 17 taona. Mipetraka amin’ny Renibeny izy. Mirenireny eny an-dalambe miaraka amin’ireo namany ary miasa matsaka rano no fataony tany aloha. Teo amin’ny fahafolo ny taonany dia noraisin’ny ONG Manda izy izay nahafahany niditra tamina ivontoerana mpandray an-tanana ny ankizin’ny lalana. “Tamana nijanona tao amin’ny ivontoerana aho ary nahitako tombontsoa maro izany”, hoy i Olivier. Araka ny fitantarany dia anisan’ny tombontsoa nositrahany tamin’ny fisian’ny fikambanana ny fampianarana azy namaky teny sy nanoratra. Nalefa teny amin’ny EPP izy ary afaka nanala ny fanadinana CEPE. Amin’izao fotoana kosa dia miatrika fiofanana arak’asa eo amin’ny tontolon’ny mekanika izy. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’i Olivier, mahatamana ireo ankizy toa azy ny beazina eny amin’ireny ivontoerana ireny satria na ny sakafo aza dia afaka misitraka izay sahaza sy manaraka ny fenitra izy ireo, ankoatra ny fisitrahana fanabeazana sy fahalalana maro.

 

Mandeha ny fitsirihana fampisitrahana kopia

Ankalazaina isaky ny datin’ny 12 aprily moa ny andro iraisam-pirenena ho an’ireo ankizin’ny lalana. Ho an’ny PFSCE dia hamafisina mandritra io andro io ny fijerena manokana ny toe-java-misy eto Madagasikara mahakasika ireo ankizin’ny lalana. Lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity ny hoe “Ankizin’ny lalana aho, ny fananako kopia nahaterahana no maha olom-pirenena ahy”. Nosafidiana manokana io lohahevitra miompana amin’ny zo tokony hananana kopia nahaterahana io, hoy ny tompon’andraikitra, satria ny fananana kopia no hahafahana misitra ireo zo fototra rehetra. Ohatra amin’izany ny zo fahafahana mianatra, misitraka fitsaboana ny zo ho arovana satria rehefa iharan’ny herisetra ka hametraka fitoriana dia mila manana ny mombamomba azy aloha ny olona izay. Fehiny, “ny fisitrahana zo fototra rehetra dia miankina amin’ny zo fanana anarana sy firenena izay voafehin’ny fananana kopia”. Zava-misy anefa ny hoe tsy manana kopia ny ankamaroan’ireo ankizin’ny lalana.

Ankoatra ny hetsika fampiatiana ny ankizin’ny lalana notanterahana tamin’ny sabotsy lasa teo, mikarakara hetsika goavana ho fampisitrahana kopia nahaterahana ho an’ankizy maro eto Antananarivo ny PFSCE. Nanomboka tamin’ity volana aprily ity dia manao fitsirihana ireo ankizin’ny lalana rehetra mbola tokony hisitraka izay kopia izay ny vovonana. Amin’ny alina no hanatanterahana io fitsirihana io satria mivezivezy amin’ny toerana maro ireo ankizy amin’ny antoandro. Aorian’ireo asa ireo dia hisy ny hetsika fizarana kopia faobe ho an’ireo ankizin’ny lalana eto Antananarivo amin’ny volana jona 2025. Mitohy hatrany, araka izany, ny tolona amin’ny fanampiana sy fampiatiana ireo ankizin’ny lalana eto amintsika.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer