Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY BEHORIRIKA : Nindaosin’ny fahafatesana ilay renim-pianakaviana nanan-janaka efa-bolana

Nodimandry ilay renim-pianakaviana voalaza fa tena voa mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Behoririka, ny marain’ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Raha tsiahivina dia miisa dimy ireo olona niharam-boina tamin’ity loza ity, ankoatra ny fahasimbana fananana vitsivitsy teny an-toerana. Io renim-pianakaviana io no tena voa mafy, rehefa voafaokan’ny fiara teo am-piantsenana nihazo ny sisin-dalana niaraka tamin’ny zanany vavikely vao efa-bolana monja. Raha hiverenana hatrany, dia tapaka hisatra avy any Soarano hidina an’i Behoririka ny fiara fitateram-bahoaka iray amina zotra 199. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly io renim-pianakaviana io hahazo fitsaboana, saingy naharitra ora maro izy no notazonina tao amin’ny fameloman’aina hopitaly HJRA Ampefiloha. Omaly vao maraim-be anefa, no re fa nindaosin’ny fahafatesana io renim-pianakaviana io. Tsy nisy nahina moa ny amin’ilay zanany efa-bolana rehefa notsirihan’ny mpitsabo taorian’ny loza. Nisy koa ireo naratra miisa telo ankoatr’izy mianaka, saingy tsy nisy nahina taorian’ny fitsaboana norasiny. Fantatra, fa renim-pianakaviana no sady anaty fikambanana Skotisma ity renim-pianakaviana namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ity, ary namela zaza kamboty miisa telo, ary io efa-bolana io no zanany fahatelo. Hatramin’ny omaly dia fantatra, fa mbola notanan’ny mpitandro filaminana ny mpamilin’io fiara tapaka hisatra io.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer