Songadim-baovaoToekarena

ANKAZOBE : 85% ny taham-pahombiazan’ny fambolen-kazo

Velaran-tany 500 ha no novolena hazo tao amin’ny toeram-pambolen-kazo ao amin’ny tobin’alan’i Manankazo ao Ankazobe tamin’ny 19 janoary 2020. Acacia sy eucalyptus ny ankamaroany. Ny Madagasco no mitantana ity toerana mirefy 8,750 hekitara ity nanomboka ny taona 2000 ary maharitra 50 taona izany. Nitsidika izany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy omaly niaraka tamin’ny ekipan’ny Minisitera sy ny Lehiben’ny Distrikan’Ankazobe, ny Ben’ny tanàn’Ankazobe Ambonivohitra, ny Solombavambahoaka voafidy tao Ankazobe, ny solontenan’ny Governoran’ny Faritra Analamanga ary ireo fokontany sy fokonolona miasa amin’ny fikolokoloana ny fambolenkazo. Tsara ny vokatra satria tombanana ho 85% ny taham-pahombiazan’ny fambolenkazo eto. Ezaka tsy maintsy atao kosa ny fanangonana ireo plastika miparitaka mba tsy handoto ny tontolo iainana. Mankasitraka manokana ny Zandarimariam-pirenena, ny eo anivon’ny Distrika ary koa ireo Komity miady amin’ny Doro Tanety satria izy ireo no mifanampy amin’ny fokonolona mamono afo raha sendra misy izany. Hamafisina hatrany kosa ny fanabeazana ireo mponina mba tsy handoro tanety ary hiaro ity toeram-pambolen-kazo ity sy ny Réserve Spéciale Ambohitantely. Notsindrian’ny minisitera tompon’andraikitra fa tokony hitandrina izay mandalo amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny rehefa misy fijanonana, amin’ny pitik’afo kely mety hitarika fahamaizana amina hekitara maro.

Fermer