Songadim-baovaoToekarena
FITRANDRAHAN’NY «BASE TOLIARA»: Fanakorontanana ny filazana fa hisy Baobab ho voakitika
Naparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky ny sarina ala feno Baobab nentina nilazana fa ho ripaka avokoa io faritra misy ala io satria ho voakitiky ny fitrandrahana fasi-mainty ao anatin’ny tetikasa “Base Toliara”. Nandiso io filazana io ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine. Nambarany fa sarin’ny faritra arovana Tsimanampetsotsa iny naparitaka iny. Any amin’ny toerana 2 andro miala ny faritra hitrandrahana. Ankoatra izay, tsy hisy mihitsy izany fitrandrahana hahakasika faritra arovana izany. Noho izany, fanakorontanana entina hampiakarana ny fahatezeram-bahoaka hankahala ny fanatanterahana tetikasa fotsiny ihany io natao io.
Tsy tokony hampiahiahy! Anisan’ny atao tetikasa fitaratra amin’ny fanarahan-dalàna eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana ny “Base Toliara”, hoy hatrany ny Minisitra. Tetikasa voalohany ampiharana ny Didim-panjakana MECIE nasim-panavaozana izy. Tsy maintsy ampiharina 100% izay voafaritra ao. Tsara ny manamarika fa efa nahazo ny fahazoan-dalàna ara-tontolo iainana eo amin’izay asa fitrandrahana izay ny orinasa hisehatra amin’izany tamin’ny 10 taona lasa. Nandritra izay fotoana izay dia miova sy mivoatra ny tontolo manodidina. Niova ihany koa ny tetikasa novinavinaina sy ireo lalàna samihafa. Noho izany dia tsy maintsy miroso indray amin’ny fanavaozana sy fampanarahana vanim-potoana ny fahazoan-dalany ara-tontolo iainana ny tetikasa. Efa nanatona ny ONE (Ofisim-pirenen’ny Tontolo Iainana) ny tompon’andraikitra mahakasika izany. Ny ONE izay miandraikitra ny fanaovana tombana ara-tontolo iainana sy manome fahazoan-dalana. Misy ny antontan-taratasy tsy maintsy haverina rafetina toy ny mirakitra ireo karazanjavamananaina eny amin’ny manodidina ny toerana, ny isan’ny hazo, mivoatra be ihany koa ny fenitra iraisam-pirenena mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay tsy maintsy arahina.
S.S




