PolitikaSongadim-baovao

FANADIOVANA NY TANÀNA: Nanao Tagnamaro ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona

Omaly dia nanatanteraka tagnamaro ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona. Ny Loholon’i Madagasikara isany, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy sy Andriamatoa Mahonjo Laurent Guy, no nisolo tena an’Andriamatoa jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan’ny Antenimierandoholona, izay mamita iraka any ivelany, nitarika izany. Vao maraina dia efa vory lanona ny mpiara-miasa rehetra. Natomboka tamin’ny fanadiovana sy fandokoana ny manodidina ny “Rond Point” eo Anosikely ny hetsika. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fanadiovana sy fandokoana ny sisin’arabe manoloana ny Lapa ny rehetra.

Izao hetsika izao no natao dia ho fanehoana ny fiarahan’ny Antenimierandoholona misalahy amin’ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Ankoatra izay dia nentina nanehoana ihany koa ny fandraisan’anjaran’ity Andrimpanjakana ity amin’ny fanabeazana amin’ny fahadiovana ny hetsika izay natao omaly.

Izao hetsika izao, hoy Andriamatoa Loholon’i Madagasikara, dia adidy ho an’ny Tanindrazana ary ny Andrimpanjakana sy ny Ministera rehetra dia samy mandray anjara amin’izany avokoa. Ramatoa Loholon’i Madagasikara kosa tetsy ankilany dia nanamafy fa ny tanana maro miaraka no hahavitana zavatra. Ny hetsika natao omaly, hoy izy, dia natao mba tsy hampitsanga-menatra ny Antenimierandoholona mitaha amin’ny hafa. Antenaina, araka izany, hoy Ramatoa sy Andriamatoa Loholon’i Madagasikara, fa santatra ambavarano ihany ity fanadiovana natao omaly ity fa ny manetsa be mbola ho avy.

Loko sy fitaovana

Marihana fa Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona dia miray fo tanteraka amin’ny mpiara-miasa rehetra amin’izao hetsika natao omaly izao. Ary na dia tsy afaka nandray anjara mivantana tamin’ny tagnamaro aza ny tenany dia nanolotra loko sy fitaovana ho anjara birikiny amin’izany.

« Ity aloha dia raisiko ho fandresena miezinezina mihitsy hoe tafita ihany ity lalan-tsain’ny fiaraha-mientana sy firaisankina ahavitana zavatra mivaingana ity e! Tanana maro miaraka miasa ho an’ny soa iombonana, dia izay no nataonay mpiara-miasa tao amin’ny Antenimieran-doholona androany maraina teo. Fa natsipiko tamin’izy ireo ihany kosa hoe tsara be ny fiaraha-mientantsika fa vao maika tsara lavitra raha tohizantsika foana fa tsy amin’izao mandray vahiny izao ihany », hoy ny fanampim-panazavana nentin’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer