Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
VOHILAVA MANANJARY : Mpihady volamena dimy maty voatototry ny tany
Ny loza tsy mampandre ! Nisy olona fito nihady volamena no tototra ny tany ao Ambalakazaha, kaominina ambanivohitr’i Vohilava, distrikan’i Manananjary, afakomaly. Taorian’ny nisehoan’ny loza, niezaka nanavotra ireo niharan-doza ny fokonolona manodidina, ka ny roa no avotra soa aman-tsara, raha dimy kosa, ireo namoy ny ainy. Mbola tanora vao erotrerony ny telo tamin’ireo namoy ny ainy, satria vao 15 sy 25 ary 30 taona ny telo tamin’ireo niharan-doza. Samy monina Ambalakazaha avokoa ny efatra tamin’ireo namoy ny ainy, raha iray kosa,izay antsoina hoe Jacquot no mpiavy monina any Vohilava, ka tsy fantatry ny olona ny momba azy fa nanara-bady tao amin’io fokontany io izy. Tsyy mbola fantatra mazava ny mombamomba ny mombamomba ireo roa avotra soa aman-tsara. Ny fokonolona no nampandre ireo zandary tao ao amin’ny Zana-tobim-paritra Ambalakazaha, momba ity loza mahatsiravina ity, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 11 ora. Naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo mana-manjo ireo zandary niasa any an-toerana. Nentanina hatrany ny olona mba ho mailo, indrindra amin’ny resaka fitrandrahana tahaka izao, satria tampoka hatrany ny fiavian’ny loza.
Pierre M.



