Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN2 : Sprinter nofaohin’ny kamiao, mpandeha iray namoy ny ainy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tamin’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny toerana antsoina hoe Fiadanana, Tanandava, PK 340+300 omaly tamin’ny 2 ora sy sasany. Fiara sprinter iray, mpitatitra olona avy any Brickaville hihazo an’i Toamasina nitondra mpandeha miisa 19 no nofaohin’ny kamiao lehibe iray. Vokany, mpandeha iray tao anaty sprinter tao anatiny no maty tsy tra-drano. Nandeha mafy ary nisongona môtô iray teo alohany ity kamiao lehibe ity. Nisy lavaka anefa teo amin’ny lalany, ary niala izany ny mpamiliny, saingy namonjy avy hatrany tany amin’ilay fiara sprinter, izay nifanenana taminy. Voadoana mafy ary nipitika niala lavitra mihitsy ity fiara voadoana ity nandritra ny fifandonana. Tsy mbola fantatra mazava kosa, hatreto ny isan’ireo naratra. Araka ny angom-baovao, naratra mafy nandritra izany ny mpamilin’ilay fiara voafaoka. Nentina avy hatrany notsaboina any amin’ny hopitaly avokoa ireo naratra. Efa nisy kosa, ireo nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Olona avy ao Brickaville andeha hihazo ho ao Toamasina, hankalaza ny fetin’ny paska ny ankabeazan’ireo mpandeha niharan-doza ireto. Raha ny nambaran’ireo olona nanatri-maso, dia avy any Toamasina ity kamiao lehibe ity, vao namboarina ary nanao andrana, kanjo izao nanao lozam-pifamoivoizana izao. Nanamafy izany rahateo ny vaovao azo avy amin’ny zandary. Efa notanana sy anaovana fanadihadiana eny anivon’ny zandarimariam-pirenena ilay mpamilin’ilay kamiao lehibe, izay fototr’izao loza mahatsiravina izao.
Pierre M.




