PolitikaSongadim-baovao

FIHETSIKETSEHANA TAO ANTSIRABE: Tsy mitombina ny filazana fa tsy misy mpandray ireo ronono

Antony ara-politika. Io no azo hanasokajiana ny fihetsiketsehana nataona olom-bitsy tao amin’ny Faritra Vakinankaratra, andro vitsivitsy lasa izay. Olona izay voalaza fa tantsaha mpamokatra ronono, ary nanary ampahibemaso ireo ronono tamin’ny “Bidon” sy siny fa hoe tsy misy mpandray ny ronono vokarin’izy ireo. Niseho izany taoriana kelin’ny nanakatonana ny orinasa tiko AAA tao Antsirabe, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Ny faran’ny herinandro teo , nandritra ny hetsika fanolorana fitaovana ireo tantsaha mpamokatra ronono, ao anatin’ny tetikasa Casef, no nahalalana fa mbola betsaka ireo orinasa mpanodina ronono afaka mandray tsara ny vokatry ny tantsaha ao Antsirabe. Tsy mitombina, noho izany, ny filazana fa tsy misy mpandray ny vokatra vokarin’ireo tantsaha. Ny minisitry ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono koa aza mbola nanamafy fa tsy ampy mihitsy ny famokarana ronono eto amintsika amin’ny ankapobeny. Antony mahatonga ny Fanjakana hiroso amin’ny fanafarana ombivavy be ronono miisa arivo, hahafahana mamaly ny filan’ny tsena anatiny eto amintsika. Finiavana hamboly korontana sy savorovoro fotsiny, noho izany, ireny hetsika ireny.

Fermer