Songadim-baovaoSosialy
FIATREHANA NY FETIN’NY PASKA : Mihena hatramin’ny 50% ireo mpandeha mihazo an’Antsirabe
Lavalava kokoa ny faran’ny herinandro manomboka anio satria hanamarika ny fetin’ny Paska isika. Voatokana ho andro tsy fiasana ny alatsinainy 21 aprily 2025, ary mbola mitohy hatramin’ny alarobia 23 aprily izany ho an’ireo mpiasa amina orinasa sasany, taorian’ny fandraisan’ny Fanjakana ny Didim-panjakana hanaovana ho andro tsy fiasana io daty io. Ho an’ny eto Antananarivo dia fanaon’ny fianakaviana maro ny misintaka kely ny renivohitra rehefa fety sy misy fotoana hanaovana fialan-tsasatra. Safidin’ny maro hatrany ny any Antsirabe. Maro rahateo ireo hetsika mampiala voly tanterahana ao amin’io renivohitry ny Faritra Vakinankaratra io rehefa fety toy izao.
Hatreto anefa, nanazava ny tompon’andraikitra amina kaoperativam-pitaterana iray mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe fa nihena kokoa ny mpandeha mihazo an’Antsirabe tamin’ity taona ity, raha oharina amin’ny zava-misy isan-taona, mandritra ny fetin’ny Paska toy izao. Izany hoe nihena hatramin’ny 50% ireo mpandeha raha ampitahaina amin’ny teo aloha. «Tamin’ny 2 na 3 taona lasa, ohatra, alakamisy na zoma alohan’ny faran’ny herinandron’ny Paska dia efa tsy maharaka ny fiara mitatitra. Amin’izao anefa dia mbola manesy miandry filaharana hatrany ireo fiara», hoy ny fanazavana.
Ankoatra an’Antsirabe, mihena toy izany ihany koa ny mpandeha any amin’ny toeran-kafa toa an’i Mahajanga. Manodidina ny 50% eo ihany koa izay fihenena izao, hoy ireo mpisehatra amin’ny fitaterana Antananarivo-Mahajanga. Nanomboka tamin’ny alakamisy teo vao mihamaro ireo mpandeha kanefa isan-taona, herinandro mialoha ny fety dia feno ireo famandrian-toerana. Raha 25 isan’andro ireo fiaran’ny koperativa KOFMAD mihazo an’i Mahajanga rehefa fety toy izao dia nihena ho 15 izany hatreto. Anio vao manantena mpandeha betsaka ireo mpitatitra. Ny faharatsian-dalana sy ny fahasahiranana no heverina ho antony voalohany mahatonga ireo mpandeha hihazo ny Faritra ho mbola vitsy.
Sarobidy Sidonie.




