PolitikaSongadim-baovao
FITSIDIHANA ARA-PANJAKANA – FILOHA FRANTSAY : Hanamafy ny fiarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika nivoaka ny sabotsy lasa teo, dia hanatontosa fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara, ny alarobia 23 sy ny alakamisy 24 aprily ho avy izao ny Filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron sy Ramatoa vadiny. Manamarika tantara goavana eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta io satria manasongadina fifanaraham-piarahamiasa marolafy. Delegasiona mafonja no hoavy eto Madagasikara, raha ho an’ny Fitondrana frantsay. Ankoatra ny Filohan’ny Repoblikan’ny Frantsay, dia hisy ny mpikamban’ny governemanta sy parlemanta ary masoivoho sy mpanolotsaina maro ho tonga eto an-toerana. Ankoatra ireo, hisy koa ireo mpandraharaha ara-toekarena hoavy eto Madagasikara, hiara-dalana amin’izy ireo, raha tsy hiresaka afa-tsy ny CAC 40. Hisy, araka izany, ny fihaonana eo amin’ny Filoha frantsay sy ny Filoham-pirenena malagasy eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, izay manamarika ny fiaraha-miasa ara-stratejika eo amin’ny Firenena roa tonta.
Manampy ireo, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny governemanta frantsay sy ny Fitondram-panjakana malagasy, ankoatra ireo fihaonana eo amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena, hisian’ny fampandrosoana. Hisy koa ny fihaonan’ireo filoha roa tonta hiarahana amin’ireo tanora mpitarika « Young Leaders », izay hotanterahina eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra Antananarivo. Tiana ny manamarika fa ny firenena frantsay dia manohana hatrany ny Firenena malagasy, amin’ny alalan’ny « Agence Française de Développement » na ny AFD.
Fihaonamben’ny Vondron’ny Ranomasimbe Indiana
Tsy ho an’ny fitsidihana ara-panjakana hataon’ny Filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron, ihany no hiseho, fa indrindra ny fihaonamben’ny Vondron’ny Ranomasimbe indiana hotanterahina eto Madagasikara. Ity farany izay nohamafisina fa manana anjara toerana lehibe satria hisy fiantraikany mivantana amin’ny lafiny ara-barotra sy ara-toekarena. Araka ny fantatra, Filoham-pirenena efatra sy Praiminisitra iray avy amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) no ho avy eto Madagasikara, amin’ny 23 aprily, iray andro mialohan’ny 24 aprily, andron’ny fihaonambe. Efa eny an-toerana avokoa ny rehetra ny andron’io 24 aprily io. Zava-dehibe ny fanomezan-danja ny zotra sy fotoana io, ilaina amin’ny fiomanana, satria mifandraika amin’ny hajantsika amin’ny fandraisana ireo vahiny sy ny endriky ny Firenena izany.
Pierre M sy LR.




