Fanadihadiana Manokana

FAKO ETO AN-DRENIVOHITRA: Mbola ny 02% ihany no voahodina

Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fanodinana sy fanomezana aina indray ny fako. Ho an’Antananarivo manokana anefa dia mbola ny 02% ny fako ihany no voahodina. Hampiroboroboana, araka izany, ny sehatry ny fanodinana fako. Izany indrindra no antom-pisian’ny hetsika “Tsenaben’ny fako sy ny safidy hafa manaja ny tontolo iainana”. Nampivondronona nandritra izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanodinana fako eto amintsika. Nanolotra tolon-kevitra fanatsarana sy fampivoarana ny sehatra izy ireo.

Anisan’ireo nahasarika olona maro nandritra ny hetsika “Tsenaben’ny fako sy ny safidy hafa manaja ny tontolo iainana”, notanterahina teny amin’ny Carlton Anosy nandritra ny 2 andro, ny nahafantatra bebe kokoa ny fanodinana fako plastika tanterahan’ny orinasa Andao Company. Tsy ny avy eto an-toerana ihany no voasarika tamin’izay asan’izy ireo izay fa hatramin’ireo teratany vahiny, nampanantena ny hametraka fiaraha-miasa maharitra. Araka izany, orinasa misehatra amin’ny fanodinana ny fako plastika hahazoana fitaovana hafa toy ny fitoeran’entana, seza sy latabatra ary dabilio, fitoerana sakafo, na ihany koa fametrahana finday, ny Andao Company. 2 taona izao no nisian’izy ireo. Fomba fiasa ny fandraisana ny fako plastika any amin’ireo orinasa, fikambanana sy ONG, ary fiarahamonim-pirenena, avy eo mamadika izany hahazoana vokatra. Ankoatra io anefa, manamafy ny fanaovana fanentanana amin’ny famadihana ny fako plastika ny orinasa, hoy ny nambaran’ny tale jeneraliny Zina Raminosona. Mampahafantatra ny olona izy ireo fa lalan-tsaina tokony hizorana ny famadihana ny plastika satria mandoto be izy ireny, na ho an’ny fahasalamana na ihany koa ho an’ny tontolo iainana. Ankoatra ny olon-tsotra, anisan’ny mpanjifan’ny vokatry ny Andao Company ireo orinasa hafa eto amintsika ao anatin’ny fanatanterahana ny fandraisan’andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana (RSE) an’ireo orinasa ireo. Izany hoe miara-miasa amin’ny famokarana dabilio sy seza hatolotra eny anivon’ny sekoly. Dabilio sy seza maherin’ny 200 hatreto no efa novokarina sy natolotra teny amin’ny sekoly. Mbola ambony ny filàna mahakasika izany eto amintsika ka miezaka mameno ireo banga ireo ny vokatry ny orinana. Ny Dabilio sy seza vita avy amin’ny fanodinana ireo akora plastika dia mbola azo ampiasaina tsara ao anatin’ny 10 taona mahery.

Fangatahana tantsoroka sy tolo-tanana

Ankoatra ny Andao Company dia maro ireo orinasa sy fikambanana nandray anjara tamin’ny hetsika “Tsenaben’ny fako sy ny safidy hafa manaja ny tontolo iainana”, notanterahana tamin’ny alakamisy sy omaly zoma lasa teo. Samy nampiseho ny vokatry ny fanodinana mampiavaka azy tsirairay avy izy ireo. Tsapa tamin’izany fa manomboka miroborobo ankehitriny ny fanodinana fako hahazoana vokatra hafa eto amintsika. Mbola nanamafy izany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine. Nambarany fa hatramin’ny volana janoary 2025, nandritra ireny fitsidiham-paritra tanterahany ireny, dia orinasa mpanodina fako miisa 6 no efa notsidihany. “Mahavelom-panantenana ny mahita azy ireny satria tsy miandry iza na iza izy ireny… Vonona hatrany ny hanohana azy ireny ny tenako”, hoy ny Minisitra. Matetika, hoy izy, tanora sy vehivavy ny ankamaroan’ireo mpisehatra amin’ny fanodinana fako eto amintsika. Tsy fikambanana fotsiny ihany fa efa lasa orinasa izy ireo ankehitriny: mampidi-bola, mandoha hetra sy mampiasa olona.
Na izany aza dia mbola tsy ampy ireo hetsika fanodinana fako eto Madagasikara. Ho an’Antananarivo manokana, ohatra, manodidina ny 1 500T hatramin’ny 1 700T isan’andro ny fako voaangona. Tsy misy afa-tsy ny 02%-n’izy ireo ihany anefa no voahodina. Noho izany, ilaina hatrany ny fampiroboroboana ny fanodinana ny fako eto amintsika.

Araka ny fanazavana avy amin’i Gaëlle-Pless Randriamanana, tompon’andraikitra avy ao amin’ny GADAEM (Groupement des Acteurs des Déchets de Alternatives Ecologiques de Madagascar) hivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fanodinana fako, dia mbola tanora daholo ireo orinasa miasa eo amin’io sehatry ny fanodinana fako io eto Madagasikara. Noho izany dia mbola mila famatsiam-bola betsaka izy ireo hahafahany mampivelatra ny asa ataony. Mbola nanamafy izany ihany koa moa ny tale jeneralin’ny Andao Company izay nilaza fa mila fanampiana sy tantsoroka ara-teknika amin’ny Fanjakana na ireo mpiara-miombona antoka ny orinasa mpanodina fako eto amintsika. Mifanindran-dalana amin’izany indrindra no antom-pisian’ny hetsika “Tsenaben’ny Fako sy ny safidy hafa manaja ny tontolo iainana”. Iray amin’ireo tanjona lehibe nokendrena tamin’ny fanatanterahana izany ny fampivondronana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanodinana ka hamaritan’izy ireo ny tolon-kevitra omena ny Fitondram-panjakana. Tolon-kevitra hanasongadinan’izy ireo ny fitakiana sy ireo paikady mbola tokony hampiharina mba hampiroboroboana ny asa sahanina. Ohatra amin’izany ny fanenana ny hetra alaina amin’izy ireo sy ny fanalefahana ny haba alaina amin’ny fampidirana ireo milina ilaina amin’ny fanodinana. Ankilany, ny Fanjakana amin’ny alalan’ireo Ministera 3 voakasiky ny fangatahana dia hiara-hidinika ireo paikady azo tanterahana mba hanampiana ireo mpisehatra amin’ny fanodinana fako eto Madagasikara ireo.

Paikady maro efa mihatra

Tsy mijanona amin’ny fanohanana ireo sehatra marolafy fotsiny ihany, manana paikady maro entina hampivoarana io fanomezana aina ny fako io ny Fanjakana malagasy. “Manome lanja ny fanodinana fako ny Fanjakana malagasy”, hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine. Ohatra amin’ireo paikady ireo ny fametrahana ivontoerana fanavahana sy fanodinana fako. Mampiasa vola amin’ny fananganana izany ny Fanjakana ka misokatra hatramin’ny 23 mey 2025 ny antso fahavononana ho an’ny orinasa maniry ny hitantanana ny ivontoerana any Toamasina. Afaka manavaka sy manodina fako hatramin’ny 60T isan’andro io ivontoerana any Toamasina io. Ankoatra azy dia hapetraka amin’ity taona ity ihany koa ny ivontoerana fanodinana fako ho an’Antananarivo, ho hita any amin’iny faritry ny Avaradrano iny.

Tsara ny manamarika fa ankoatra ny fahazoana vokatra azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro dia hahazoana angovo ihany koa ny fanodinana ny fako. Angovo havadika ho herinaratra na hampiasaina amin’ny fandrahoana madio. Efa mandeha ankehitriny ny famolavolana ny politika nasionaly hahazoana angovo madio ho an’ny fandrahoana. Tanjona hapetrantsika hatramin’ny 2030 ny hoe ny 50%-n’ny vahoaka malagasy dia miroso amin’izay fampiasa angovo madio amin’ny fandrahoana izay. Hatreto mantsy, mbola miankin-doha amin’ny fampiasa ny arina fandrehitra na kitay ny 95%-n’ny mponina eto Madagasikara rehefa mahandro. Izany fomba izany no mandripaka haingana ny ala eto Madagasikara ka mila hampiharina ny paikady entitra. Fehiny, zava-dehibe hatrany ny fampiroboroboana io fanodinana ny fako io satria manome vahaolana amin’ny fampisitrahana angovo ihany koa.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer