PolitikaSongadim-baovao

VAOMIERA IRAISAN’NY FRANTSAY SY MALAGASY : Hivory faharoa momba ireo Nosy malagasy ny 30 Jona izao any Paris

Nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha malagasy Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly no nanambaran’ny roa tonta ny hisian’ny fihaonana faharoa eo amin’ny Vaomiera iraisan’ny Malagasy sy ny Frantsay ao anatin’ny dinika momba ireo Nosy malagasy.

Nandritra ny lahateny teo amin’ny Tokonan-tohatry ny Lapam-panjakana Iavoloha, dia nilaza ny Filoha Rajoelina omaly, fa isan’ny nifampiresahan’izy sy ny Filoha Macron ny ahafaha-manalefaka ny trosan’i Madagasikara amin’i Frantsa. Teboka lehibe noresahan’izy ireo koa ny famerenana ireo Nosy manodidina na ny “Iles éparses”. Nambaran’ny Filoha Rajoelina fa ho atao ny 30 Jona ho avy izao, any Paris, ny fivoriana faharoa an’ity Vaomiera manokana iraisana ity. Mandiso ny fiheveran’ireo mpanohitra, araka izany, ity fanambarana ity. Satria voaresaka tokoa nandritra ny fihaonan’ireo Filoha mirahalahy ny mahakasika ny Nosy manodidina na ny « iles eparses ». Ary dia misy fivoarana mivaingana ny fifampiresahana mahakasika izany. Raha tsiahivina, ny Filoha Rajoelina Andry no sahy nanaitra indray tamin’ny fomba ofisialy ity fitakiana ny famerenana ny Nosy manodidina ity, nandritra ny fivahinianana ofisialy, izay nataony tany Frantsa ny volana Mey 2019. Nisy, araka izay, ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha Macron sy ny Filoha Rajoelina nandritra ity fivahiniana ofisialy ny volana Mey 2019 ity. Nandritra izany no niresahany ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy manodidina. Nifanarahan’ireo Filoha roa lahy fa ifampidinihana anatina Vaomiera iraisan’ny Frantsay sy Malagasy ny hanaovana izany.

Nisy, araka izany, ny fivoriana voalohan’ity Vaomiera manokana iraisana ity na “Commission mixte” ity teto Antananarivo, tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny 18 novambra 2019. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no nitarika ny delegasiona malagasy. Petra-kevitra napetrak’i Madagasikara nandritra ity fivoriana voalohany ity ny tokony haneken’i Frantsa ny fiandrianan’ i Madagasikara, amin’ireo Nosy manodidina ireo, mialohan’ny zava-drehetra. Taorian’io moa, dia tsy tontosa ny fivoriana faharoa an’izany Vaomiera manokana iraisana izany, noho ny antony maro. Isan’izany ny krizy ara-pahasalamana noho ny « Covid 19 », ireo fifidianana teto Madagasikara sy tany Frantsa, na koa ny fiovana governemanta tao amin’ireo firenena roa tonta.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer