PolitikaSongadim-baovao

FITSIDIHANA ARA-PANJAKAN’NY FILOHA FRANTSAY : Tetikasa stratejika marolafy nifaneken’i Madagasikara sy i Frantsa

Nanatanteraka fitsidihana ara-panjakana teto Madagasikara ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron, omaly. Nisy ny fihaonan’ny Filoha mirahalahy sy fivoriana fanamafisana fiaraha-miasa teo amin’ny ankolafy malagasy sy Frantsay. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny faneken’ny Filoha frantsay ireo tetikasa stratejika ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara…

Taorian’ny figadonan’ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy Ramatoa vadiny, Brigitte Macron, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly, dia nihazo avy hatrany ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nandritra ny dian’izy ireo, nisy ny fanapoahana tafondro in-21. Izany dia arofenitra natokana ho ana lanonam-panjakana lehibe, ary isan’izany ny Fitsidihana ara-panjakana tanterahina. Araka ny arofenitra, notsenanin’ny Filoha Rajoelina sy  Ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina teo am-bavahadin’ny Lapan’Iavoloha, ny Filoha Emmanuel Macron sy Ramatoa Vadiny. Nafana ny fifampiarahaban’izy ireo, ary intelo miantoana ny fiaraha-maka sary nataon’ny Filoha mivady malagasy, sy ny Filoha mivady frantsay. Rehefa vita ny arofenitra ara-panjakana, nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha mirahalahy. Naharitra 45 minitra izany fihaonana teo amin’ireo Filoha mirahalahy ireo izany. Taorian’io, nisy ny fivorian’ny roa tonta, na fivoriana fanamafisana fiaraha-miasa teo amin’ny ankolafy malagasy sy Frantsay, notarihin’ny Filoha roa lahy.

Ankoatra izay, nisy teboka dimy ireo anatin’ity tondrozotram-piarahamiasa, izay notononin’ny Filoha Rajoelina. Nangataka kosa, ny Filoha frantsay, mba ho ampiana iray izany, ka ho lasa enina. Tetikasa stratejika no fehezin’ireo teboka ireo. Isan’izany ho an’ny sehatry ny angovo, ny fananganana ny tohodrano « hydroélectrique » ao Antetezambato sy Volobe. Isan’ireo fifanaraham-piarahamiasa natao sonia tao Iavoloha rahateo, ny fanorenana sy fampihodinana an’i Volobe. Eo koa ny fanavaozana ny zotran-dalamby Antananarivo – Toamasina sy ny fanomezana fampitaovana ho an’ny zotran-dalamby Fianarantsoa – Côte Est.

Fiaraha-miasa marolafy…

Mahakasika ny tontolon’ny fahasalamana, hojerena ny ahafahana mandefa  mpitsabo manana fahaiza-manao manokana sy mpitsabo mpandidy hanamafy ny fahaiza-manaony any Frantsa. Eo koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, isan’ny voaresaka ny ahafahana manangana Oniversite fampitahana eto Madagasikara. Tafiditra amin’ny tanjona hanamafisana ny lentan’ny fampianarana ambony izany. Hojerena koa ny fomba ahafahan’i Frantsa manohana an’i Madagasikara, amin’ny ady sisika hahazoana ireo famatsiam-bola, mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana na ny “fonds vert pour le climat”. Isan’ny firenena mahafeno ny fepetra hisitraka izany i Madagasikara, nefa hatramin’izao, tsy mbola nisy io famatsiam-bola io. Nefa izany dia ahafaha-mamatsy tetikasa maro mifantoka amin’ny fampandrosoana maharitra sy iarovana ny tontolo iainana.

Ny teboka fahadimy natsidiky ny Filoha Rajoelina koa, ny mahakasika ny fahaleovantena ara-tsakafo, indrindra fa ny tanjon’i Madagasikara amin’ny « Transformation agricole ». Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ity lafiny ity koa ny Filoha frantsay, Macron. Izy izay efa mamatsy vola tetikasa mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo, amin’ny alalan’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana. Nomarihin’ny Filoha Frantsay fa efa nekena, ireo teboka dimy ireo. Izany hoe, efa nifaneken’i Madagasikara sy i Frantsa.  Nangataka kosa, ny Filoha Macron, mba hasiana teboka fahenina ny mahakasika ny fijerena, ny hahafahan’ny firenena roa tonta miara-miasa eo amin’ny sehatry ny “terres rares” sy ireo harena stratejika. Azo atao, hoy izy, ny miara-miasa ampivelarana ireo sehatra voakasik’ireo, izay mitondra tombom-barotra tahaka ny fanamboarana fitaovana ahazoana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer