Songadim-baovaoToekarena
FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO TRATRA TANY MAORISY: Naverin’ny Maorisiana amin’i Madagasikara ireo Volamena 25,5Kg
Tao anatin’ny Fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) dia nisy ny lanonana famerenana ireo volamena tratra tany Maorisy ny taona 2019, izay natrehin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra maorisiana Navin Ramgoolam, tao amin’ny efitrano Emeraude, CCI Ivato. Ho porofon’ny firalahiana eo amin’ny firenena roa tonta izany, hoy ny praiminisitra maorisiana. Ary niandrasana izao Fihaonana an-tampony atao eto Madagasikara izao izany anaporofoana izany firahalahina izany.
Raha tsiahivina dia nisy Malagasy telo tratra tany Maorisy ny taona 2019, niaraka tamina bolongam-bolamena milanja 25,5 kg, izay nokasaina aondrana an-tsokosoko. Raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Douane Laikana Zafivanona, dia efa nahazoana angom-baovaoa ity fikasan-dratsy, koa tany Maorisy no tra-tehaka izy ireo. Rehefa nandeha ny raharaham-pitsarana dia nanapaka hevitra ny fitsarana maorisiana, ny taona 2023, fa averina aty Madagasikara ireo volamena ireo. Satria voaporofo fa naondrana an-tsokosoka izany.
Tsara ho fantatra fa ny fampiharana ny fifanarahana fifanampiana ara-pitantanana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy dia mitondra fifanohana amin’ny fanatrarana ireo fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena, na ireo zava-mahadomelina, sy fanamborana ireo mikasa hanao izany. Mipaka amin’ny fifanohanana mandritra ny raharaham-pitsarana ihany koa izany.
Maneho ny fahombiazana ara-diplaomatika sy ara-pitsarana ho an’i Madagasikara ny famerenana ireo volamena ireo, izay mbola vokatry ny fiaraha-miasa nohamafisina teo amin’ny sampandraharahan’ny Fadin-tseranana Malagasy sy Maorisianina, ao anatin’ny fifanarahana fifanampiana ara-pitantanana nosoniavina tamin’ny taona 2018.
Nandritra ity lanonana tao amin’ny efitrano Emeraude ity dia naseho ny rehetra ireo volamena izay naverina. Araka ny toromariky ny Filoha Rajoelina dia naterina avy hatrany any amin’ny Banky Foibe izany. Teo no ho eo ihany araka izany dia natao ireo fombafomba mahakasika izany, niarahan’ireo tomponandraikitra ao amin’ny fadin-tseranana sy ireo avy ao amin’ny Banky Foibe.
Ny Fanoratana.


