Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
DIA FIBEAZANA TANY MAHAJANGA: Mpianatry ny Lisea ao Manjakandriana 5 mianadahy maty an-drano
Omaly tokony ho tamin’ny 1ora tolak’andro teo ho eo no niseho ny loza, araka ny loharanom-baovao. Ankizy mpianatra 5 mianadahy avy any Manjakandrina no dobo an-dranomasina tao Antsanitia, Belobaka-Mahajanga. Natao ihany ny fiala-nenina rehetra tonga teny amin’ny hopitaly fa tsy avotra intsony ny ain’izy ireo.
Araka ny fanadihadiana, 6 mianadahy izy ireo no nifanavotra, rehefa nahita ny namany dobo saingy ny 1 no avotra soamantsara. Voalaza ho toy ny nisy rano nisintona ilay tovovavy iray ka lasa tany amin’ny lalina. Teo no nanavotra azy ireo namany saingy niara-dobo taminy. Nanamafy ny Tomponandraikitra isan’ny nitondra ireo ankizy ireo tany Mahajanga fa mpianatra avy amin’ny Lisea Manjakandrina izy ireo. Classe de 1ère sy terminale, manodidina ny 14, 15, 16 taona eo ny ankamaroany. 106 izy ireo no delegasionina tonga nanao “voyage d’étude” na Dia fibeazana tao Mahajanga ary anisany tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana anaovana fitsidihana ny « plage Antsanitia » Belobaka. Marhina fa tamin’ny alarobia teo izy ireo no tonga tao Mahajanga, ary nikasa hiverina amin’ny Sabotsy ho avy izao.
Manoloana ity voina ity, tonga nankahery sy nifanohana tamin’ireto delegasionina teny amin’ny morgue hopitaly Manarapenitra Mahavoky atsimo ireo tompon’andraikitra tao an-toerana, notarihan’ny préfet Mahajanga, ny ben’ny tanàna, ny lehibe police sy zandary, ny fianakaviam-be ny cisco ao Mahajanga ary ireo mambra ny kabinetra an’Andriamatoa ministre de la jeunesse et des sports no sady minisitra coach faritra Boeny Moustapha Marson, izay nankahery sy nampionona ireto fianakaviana no nitondra fanampina manokana ho fanohanana azy ireo amin’izao voina izao.
Randriah.



