SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAMPIANARANA TEKNIKA: Hanomboka anio fanadinana hahazoana ny CFA sy ny CAP
Araka ny efa nambaran’ny Filoha ny 06 Septambra teo, hanomboka anio ny fanadinana hahazoana ny “certificate de fin d’apprentissage” CFA sy ny “Certificat d’aptitude Professionnel” CAP ho an’ireo rehetra izay hiatrika izany. Haharitra telo andro ny CFA, raha efatra andro kosa no hanaovana ny CAP, araka ny fanazavana. Samy eo ambany fitarihan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fampiofanana arak’asa kosa anefa izy roa ireo. Ity minisitera ity, izay nanambara, tamin’ny alalan’ny minisitra Tsikel’Iankina Ernest, fa efa nomanina araka ny fenitry ny fanadinam-panjakana rehetra ity atao ho an’ny CAP sy ny CFA ity. Nohamafisiny fa natao hifanaraka manokana amin’izay fandaharam-pianarana efa vita ireo laza adina. Marihana fa efa saika nahazo ny laza adina avokoa ireo disitrika rehetra manerana ny Nosy, ary nilamina ny fanomanana izany tamin’ny ankapobeny. Ankoatra ireo, ny 21 Septambra ka hatramin’ny 24 Septambra izao no hatao ny fanadinana hahazoana ny “Brevet d’étude professionnel” na ny BEP. Ny fifaninana hidirana amin’ny Lycée teknika kosa dia hatao amin’ny 01 sy 02 Oktobra.


