Trangam-piaraha-monina
ANTSAHAMAINA MANJAKANDRIANA: Lehilahy mpivahiny telo indray maty an-drano navadiky ny lakana
Tratra ny tsy nampoizina ! Telo lahy mpivahiny no niharan-doza tao Antsahamaina Mantasoa, anatin’ny distrikan’i Manjakandriana, ny talata lasa teo. Araka ny angom-baovao, nitaingina lakana amin’ny rano manamorona iny tanàna iny izy ireo, ary rehefa tonga teny anivon’ny rano, dia nilentika ilay lakana. Raikitra, araka izany, ny fifanomezan-tanàna namonjena azy ireo, tamin’ity voina ity, saingy niala maina. Tsy maintsy voatery niantso mpamonjy voina matihanina avy aty Antananarivo Renivohitra, ny tany an-toerana, mba hikarohana ny nofo mangatsiakan’izy telo lahy ireo. Na izany aza, noho ny andro efa hariva, dia voatery ny ampitson’ny nitrangan’ny loza vao afa-nanohy ny fikarohana. Ka ny tapak’andro maraina no hita ny nofo mangatsiaka ny roa lahy, raha efa tamin’ny 3 ora latsaka fahefany kosa, no hita ny iray. Hita daholo, araka izany, ny nofo mangatsiakan’izy telo mirahalahy. Tiana ny manamarika fa mpirahalahy ny roa, rah ampamily fiara kosa, ny iray. Efa voarain’ ny fianakaviana avokoa ny vatana mangatsiakan’izy telo lahy ireo, araka tatitra voaray avy amin’ny Borigadin’ny zandarimaria ao Manjakandriana.
Nankahery sy nampita hafatra…
Nisesisesy ny loza an-drano, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo mpianatra dimy maty an-drano tany Mahajanga, araka ny vaovao nivoaka afakomaly teto amin’ny gazety. Manoloana ny loza an-dranomasina, tranga mampalaelo izay nihatra tamin’ny mpianatra miisa dimy avy amin’ny lisea Manjakandriana, izay nanatanteraka dia fibeazana tany Mahajanga, ny alakamisy 24 aprily 2025. Namoaka fanambarana ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, izay maneho ny fiaraha-miory sy fankaherezana ho an’ireo niharam-boina sy ny ray aman-drenin’izy ireo tsirairay avy, ny sekoly sy ny mpiandraikitra rehetra. Vao naheno ny loza ny Minisitera dia nandray ny andraikiny avy hatrany ary niara-nisalahy tamin’izany ny DREN Boeny sy DREN Analamanga, ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny manoloana izao tranga mampalahelo izao. Mampatsiahy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny talentsekoly, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra fa ny dia fibeazana na ny « voyage d »etudes » dia fehezin’ny naoty laharana 2024/915 tamin’ny 12 septambra 2024. Manomboka amin’ny fangatahan-dalana izany, ny fisafidianana ny fiara, ny tomponandraikitra afaka manome ny fahazoan-dalana, ny fankatoavan’ny ray aman-dreny, ny fitandremana mila atao. Tsy azo terena na mivantana na ankolaka ny mpianatra sy ny ray aman-dreny amin’izany fa manana safidy malalaka. Mila lamina matipaika ny fikarakarana ka tsara hatrany ny mametraka fiaraha-miasa akaiky ny sekoly sy ny ray aman-dreny amin’ny fanantanterahana izany.
Rado Harivelo



