
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANAPARIAHANA VOLA SANDOKA: Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka 20.000Ar miisa 22
Lehilahy iray nitondra vola sandoka no voasambotry ny fokonolona tao an-tanànan’i Belambo, fokontany Alakamisy/Anivosoa, Kaominina ambanivohitra Marofarihy, distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany, afakomaly. Nividy zavatra tamina trano fivarotana iray tao an-toerana ity lehilahy ity no tsikaritry ny mpivarotra fa vola tsy izy no natolony. Vao nahita izany ity mpivarotra dia nampilaza ny Sefom-pokontany avy hatrany ary ity farany indray no nampandre ny Tobim-paritra Manakara. Nosamborina avy hatrany ilay lehilahy ary niaiky fa vola taratasy amin’ny 20.000 Ariary tsy izy no nomeny ny mpivarotra. Vola taratasy amin’ny 20.000 Ariary miisa 22 no tratra tany aminy. 48 taona ny lehilahy, izay monina ao Sahanento, fokontany ao ihany, kaominina ambanivohitra Ambohitsara, distrikan’i Manakara.
Tsy mbola manambady, izy saingy manan-janaka roa. Ny Tobim-paritra Manakara no misahana ny fanadihadiana ary nanomezana toromarika fatratra mba hanaovana fanadihadiana lalina. Tiana ny manamarika fa enjehin’ny lalàna ary asa an-terivozona mandra-pahafaty ny fanaovana na fanaparitahana vola sandoka. Matetika ireo mpanaparitaka vola sandoka dia eny amin’ny toerana somary ambanivohitra hatrany no hanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Noho izany, tokony ho mailo ny rehetra manoloana ny toe-javatra tahaka izao satria tsy kely lalana ny ratsy, indrindra rehefa andro hariva.
Pierre M.



