Trangam-piaraha-monina
HALATRA “MOTO”: Rava ny tambazotra iray teto an-dRenivohitra, efa-dahy voasambotra
Tambazotra iray mpangalatra kodiaran-droa indray no ravan’ny Polisim-pirenena avy amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahadimy (CSP) Mahamasina, omaly alahady 27 Aprily. Vokatra azo avy tamin’ny fiaraha-miasa sy ny angom-baovao avy amina olona tsara sitra-po. Efa-dahy no indray voasambotra tao anatin’izany, noho ny velam-pandrika sy paikady tsy hahafahan’izy ireo miala intsony. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny “moto” halatra miisa roa. Efa marobe ireo kodiaran-droa lasan’ity tambazotra ity, ary ireo “moto” roa tratra farany teny aminy no tsy afaka nandavany intsony. Fantatra, fa mpandrava sy mpanamboatra “moto” ny roa tamin’izy ireo, ary mpivarotra halatra ny roa ambiny. Toerana maro teto an-dRenivohitra no efa lasibatr’izy ireo, ary ireo eny amin’ireo toeram-piantsonana (parking) no tena lasibatra amin’ny fananan’izy ireo fanalahidy marobe. Hain’izy ireo, araka izany, ny manala ny hidin’ny lohana “moto”. Nentina teny amin’ny Kaomisaria Mahamasina izy efa-dahy ireo hanokafana fanadihadihana sy atao andrimaso. Notazonina eny amin’ny Polisy ihany koa ireo “moto” miisa 02 tratra farany hiandrasana ny tompony miaraka amin’ny taratasy fanamarinana. Hatolotra ny Fampanaovana izy ireo rehefa vita ny famotoroana savaranonando ataon’ny Polisim-pirenena.
Nangonin’i Stan R.




