PolitikaSongadim-baovao

GOVERNORAN’ANALAMANGA: « Hotohizana ny fanamboaran-dalana sy ny fanatsarana ny tanàna »

Tsy nisy tsy niaiky ny rehetra fa nadio sy nihatsara ny renivohitr’i Madagasikara nandritra ireny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) ireny. Fanontaniana mby ao an-tsain’ny rehetra anefa dia hoe hitohy ve sa hijanona hatreo izany fahadiovana sy fanatsarana ny tanàna izany? Tsy nihambahamba ny Governoran’ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, omaly, raha nilaza fa hotohizana ny hetsika fanamboaran-dalana sy ny  fanatsarana ny tanàna. Tafiditra ao anatin’izany koa ny resaka fanadiovana, izay efa nifandrimbonan’ny mpisehatra maro tsy ankanavaka. Mbola handray ny fihaonana an-tampon’ny SADC i Madagasikara amin’ny volana A    ogositra izao, raha ny fandaharam-potoana, ka mendrika ny hotohizana ny ezaka rehetra efa natao  nandritra ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo, araka ny fanamafisana nataon’ny Governoran’ny Faritra Analamanga hatrany.

“Isaorako ny rehetra izay nandray anjara tamin’ny fandaminana ny tanàna. Faniriana dia tsy ijanona hatreo ny fiarahamientana amin’ny fanatsarana ny tanàna. Mila mifampitaiza koa isika. Ary ny mpitantana dia tokony hiantsoroka ny andraikiny amin’ny fanentanana ny mponina momba ny fanadiovana, sy ny fametrahana ireny fanariam-pako isankarazany ireny”, hoy hatrany andriamatoa Hery Rasoamaromaka.

Fanehoan-kevitra mirefarefa

Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly koa moa no nitondrany ny heviny mahakasika ireo fanehoan-kevitra mirefarefa amin’ny tany ataon’ny mpanohitra tato anatin’ny andro vitsy izay, indrindra ingahy Siteny Randrianasoloniaiko, izay voalaza fa Filohan’ny mpanohitra. Tsy misy tombony ho an’ny firenena mihitsy, hoy izy, ny fisian’ny mpanohitra raha toa ka mbola ny lokon’akanjon’ny Filohan’ny Repoblika no ametrahan’izy ireo olana. Novakiany bantsilana fa tsy hahatarika olona amin’izany karazana fanehoan-kevitra izany ny mpanohitra.

Raha tsiahivina dia nitondra fanehoan-kevitra nanakiana mafy ny Filoha Andry Rajoelina ingahy Siteny Randrianasoloniaiko tao amin’ny Tambazotran-tserasera izay nilaza fa nanala baraka ny firenena malagasy ny Filoha nanao akanjo fotsy tany amin’ny fandevenana ny Papa Fransoa, fa tsy nanaraka ny fepetra napetraky Vatican. Notsindrian’andriamatoa Hery Rasoamaromaka fa samy mariky ny fisaonana daholo na ny fotsy na ny mainty. Ary tsy ny Filoha Andry Rajoelina irery no nanao akanjo fotsy nandritra iny fotoana iny fa olona maro.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer