Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TAKSIBOROSY NIVADIKA : Iray maty, valo naratra mafy, nitsoaka tsy hita popoka ny mpamily

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalam-pirenena RN 12, 10 km avaratra  alohan’ny hidirana ny tanànan’Analavory, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 9  ora sy 15 mn, teo  Sandramorona, fokontany Ambalona, Kaominina ambanivohitra Sahandroy, Distrikan’i Manajary,  RN 12 PK 29+400. Teo no ho eo dia nampandrenesina ireo  Zandary manao fiambenan-dalana ao Irondro. Nandeha tany an-toerana avy hatrany, nanao ny famonjena voina sy nanao ny fizahana. Araka ny fanadihadiana, noho ny fahavakisan’ny kodiarana havia aoriana no nitarika ny loza. Vokany,  nivadika ny fiara ary tsy voafehy ny familiana. Fiara avy any Mananjary ho any Manakara io tra-doza vokatry ny tsy nampoizina io. Zazakely vao 21 volana monja no namoy ny ainy, raha tafakatra  valo ireo naratra. 71 taona no zokiny indrindra tamin’ireo naratra, raha manodidina ny 23 taona sy 37 kosa, ny ankabeazan’ireo niharam-boina.  Efa nahazo fitsaboana daholo izy ireo, ka ny tompon’ny fiara no niantoka ny saram-pitsaboana. Tsy misy atahorana ny fahasalaman’ireo naratra, afa-tsy ny renin’ilay zaza namoy ny ainy, izay  mila alefa any  amin’ny Hopitaly lehibe.

Tsy hita popoka ny mpamily…

Nandritra ny fahatongavan’ny zandary teny an-toerana, tsy nisy olona intsony teo,  fa lasa namonjy hopitaly any Analavory avokoa. Ny nanaitra tamin’ity loza ity, vaky nandositra ny mpamily.  Mbola tsy hita izy hatry ny omaly, ary karohina fatratra. Araka ny filazan’ny mpandeha, dia hitolo-batana any amin’ny mpitandro filaminana izy noho ny fahatahorana fitsaram-bahoaka. Misokatra ny famotorana ka ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Nasionaly Antsenavolo no misahana izany.

Matetika mitera-doza ny tsirambina ataon’ny mpamily, indrindra ny fahasahiana mitondra olona maro, na ny fandehanana mafy. Ny lalàna dia milaza fa tomponandraikitra tanteraka ny mpamily amin’ny fiara entiny. Mila avahana tsara ny andraikitry ny fiara izay tsy nisy fitsirihina teknika sy ny andraikitry ny mpamily izay nisetrasetra. Indraindray koa anefa, tafaraka ireo. Fositra lehibe mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fanaovana zavatra mihoatra ny tokony hatao, izay mitera-doza, ary mahatonga fandikan-dalàna. Tokony hahasahy hitoroka na tsy manaiky hiray tsikomba amin’ny  fihoaram-pefy tanterahin’ireo mpamily ireo mahita tsy fanarahan-dalàna, indrindra raha fiara fitateram-bahoaka.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer