Fanadihadiana Manokana
AROLOZA SY FAHASALAMAN’NY MPIASA : Mitana anjara toerana lehibe eny anivon’ny orinasa ny haitao ara-kajy mirindra
Tsy azo ialana ary efa mandray anjara amin’ny fampivoarana ny aroloza sy fahasalaman’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa ny fahaizana artifisialy sy ny haitao ara-kajy mirindra. Na eo aza izany dia manana andraikitra isika hampifandrindra ny fampiasana ireo fitaovana ireo amin’ny fahaiza-manao hananantsika. Anisan’ny nivoitra nandritra ny adihevitra nifanaovan’ny mpisehatra maro ireo nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny aroloza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa, tamin’ny alatsinainy teo.
Zo fototra ho an’ny mpiasa rehetra fa tsy safidy akory na natokana ho an’olom-bitsy fotsiny ihany ny aroloza sy fahasalaman’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa, hoy ny nantitranterin’ny solotenan’ny OIT eto Madagasikara, Atoa Frederick Muia. Manohana hatrany ny fanatsarana io sehatry ny aroloza sy ny fahasalaman’ny mpiasa io ny OIT amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny dinika sosialy, fanamafisana fahaiza-manao ary fanomezana tantsoroka amin’ny famolavolana ireo politika mampivoatra ny maha olona. Ho fahatsiarovana ireo mpiasa niharan’ny loza teo am-panatanterahana ny asany dia napetraka ny andro maneran-tany ho an’ny aroloza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa, ankalazaina isaky ny datin’ny 28 aprily. Ho an’ny fankalazana tamin’ity taona 2025 ity, lohahevitra nosafidiana ny hoe «ny fanovana ny aroloza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa, ny anjara toeran’ny fahaizana artifisialy sy ny haitao ara-kajy mirindra».
Mahakasika io lohahevitra io indrindra, tokony ho fanoitra amin’ny fampandrosoana fa tsy natao hanimba na hamotika velively ny fiarahamonina eny anivon’ny toeram-piasana akory ny fandrosoan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny sehatry ny asa, hoy ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana Hanitra Fitiavana Razakaboana. Tsy azo hiodivirana intsony amin’izao fotoana ny fampiasana ny teknolojia, ny haitao ara-kaky mirindra mbamin’ny fahaizana artifisialy satria manampy betsaka amin’ny fampandrosoana ny orinasa izany. Fitaovana hahafahana manatsarana ny fisorohana ny loza sy entina hitandroana ny fahasalamana eny amin’ny sehatry ny asa izy ireo. Afaka manamaivana ny asan’ny olombelona, na ihany koa manafaingana ny fijerena sy ny fandalinana ireo toe-javatra mety hampitera-doza eny amin’ny toeram-piasana. Tsy adinoana fa fitaovana afaka mamoaka mari-drefy ihany koa izy ireny. Noho izany dia hahafahana misoroka ny tsy fahasalamana mety hahazo ny mpiasa.
Niteraka adihevitra ho an’ny mpisehatra marolafy
Ho fanamarihana io andro maneran-tany ho an’ny aroloza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa io dia hetsika maro no nentina nanamarihana izany. Anisan’izany ny fanofanana, ny fidinana ifotony eny amin’ireo orinasa izay nifandrimbonan’ireo Ministera tompon’andraikitra sy ny rantsamangaikany, ny fikambanan’ny mpampiasa, ny sendikan’ny mpiasa ary ireo fikambanana manana andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny aroloza sy ny fahasalamana eny amin’ireo toeram-piasana. Ankoatra ireo dia nisongadina ihany koa ny fikarakarana adihevitra natao hamelabelarana ny lohahevitry ny fankalazana. Nisy ny loabary an-dasy notanterahana tamin’ny Faritra miisa 3. Tafiditra tamin’ireo nanatanterahana izany ny teto Antananarivo, natao teny amin’ny efitrano malalaky ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antaninarenina tamin’ny alatsinainy lasa teo.
Nandray anjara tamin’io loabary an-dasy io ireo manam-pahaizana sy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sehatra tsy miankina. Niteraka adihevitra teo amin’izy ireo ny hoe tena ilaina eo amin’ny tontolon’ny asa tokoa ve ny fahaizana artifisialy (Intelligence Artificielle)? Inona no mety ho ambana haterany? Efa tena tomombana tokoa ve ny fiarahan’ny IA sy ny olombelona izay miasa eny anivon’ireny orinasa ireny? Maro ireo fanontaniana nivoitra tamin’io alatsinainy io. Novelabelarina manokana nandritra izany ireo tombontsoa efa entin’ny fahaizana artifisialy ho an’ny orinasa, toy ny eo amin’ireo orinasa lehibe mampiasa teknolojia matanjaka, mampiasa milina ilàna tarehimarika mahitsy sy azo antoka. Mila ny IA ihany koa ny tontolon’ny fitsaboana amin’ny fanomezana ny tahirin-kevitra samihafa. Na izany aza, tsy nohadinoin’ny mpiantsehatra ny nametraka ny ahiahiny amin’ny mety ho voka-dratsin’ny IA amin’ny lafiny asa. Aroloza sy fahasalaman’ny mpiasa mantsy no resaka ka sao dia ny antontan-kevitra diso na ny tsy fahaizan’ilay “robot” mandray izay zavatra nampitaina taminy no hampitombo indray ny loza mety hiseho. “Tsy azo ialana ny fampiasana ny teknolojia ao anatin’ny tontolon’ny asa. Manana andraikitra isika hampifandrindra izany amin’ny fahaiza-manao hananantsika. Ary manana andraikitra manoloana izany ny Fitondram-panjakana hitsinjo ny fanamorana fandrindrana takiana amin’izany”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) Rabenarivo Lanto Lauréat, izay nanome voninahitra ny loabary an-dasy natao.
Fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy any amin’ireo mpiasa tena any amin’ny Faritra SAVA
Ankoatra ny fampiroboroboana ny fitandroana ny loza sy ny fanamafisana ny tandrom-pahasalaman’ny mpiasa, efa maro ireo ezaka sy andraikitra noentin’ny Fitondrampanjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina mba ho fampivoarana ny mpiasa sy ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, hoy hatrany ny Minisitra Hanitra Fitiavana Razakaboana. Misongadina amin’ireo dingana vita tato ho ato ny fankatoavana tamin’ny taona 2023 ireo fifanarahana 3 lehibe misahana ny aroloza sy ny fahasalamana any amin’ny sehatry ny asa. Ho fampiharana izany dia nolaniana ny fehezan-dalàna vaovao mifehy ny asa tamin’ny 2024 farany teo. Mikasika io indrindra, anisan’ny fanatsarana napetraka ny fanamafisana ny famaritana ny adidy sy andraikitry ny mpampiasa sy mpiasa tsirairay.
Ankilany, miezaka hatrany ny Fitondram-panjakana hanasoa ny vahoaka malagasy. Ho an’ny mpiasa malagasy, an-dalam-pametrahana ankehitriny ny fiahiana ara-tsosialy any amin’ireo mpiasa tena. Izany hoe tsy voatery ireo olona miasa amina orinasa ihany no afaka hisitraka fisotroan-dronono sy fiahiana ara-pahasalamana fa hitarina hatrany amin’ireo olona miasa tena ihany koa izany.
Taorian’i Vakinankaratra sy Atsinanana dia kasaina hampisitrahana io fiahiana ara-tsosialy io ihany koa ireo mpiasa tena any amin’ny Faritra SAVA. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny aroloza sy ny fahasalaman’ny mpiasa dia nisy ny atrikasa mahakasika io fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy any amin’ireo mpiasa tena io, natao tany Sambava tamin’ny alatsinainy sy omaly talata. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana’asa ary ny Asam-panjakana Hanitra Fitiavana Razakaboana, natrehin’ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila ao an-toerana. Tao anatin’ny lahateny nataony dia navoitran’ny Minisitra ny tokony hanaovana ho zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tena satria antoka iray ho an’ny hoavin’izy ireo izany. Ho fisitrahan’izy ireo ny fisotroan-dronono any aoriana, indrindra ihany koa hahafahana misitraka fahasalamana ho an’ny tenany. Miara-miasa amin’ny fampisitrahana ireo tolotra ireo ho an’ny mpiasa tena any SAVA ny CNaPS sy ny toeram-pitsaboana Ombona Mahavelona. Hisy ny fanamorana amin’ny fandrotsahana ny latsakemboka any amin’ireo tanom-piantohana. Nandritra ny atrikasa dia nisy ihany koa ny fanentanana manokana natao ho an’ireo mpiasa tena tany Sambava sy Antalaha, mivondrona anaty fikambanana sy koperativa samihafa, mba hisitrahan’izy ireo ny fiahiana ara-tsosialy.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




