Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

MANAKARA : Olona efatra tompona kioska voasoloky hatramin’ny 3 tapitrisa Ar

Marobe ireo lasibatra sy mitaraina momba ireo mpisoloky mitety kioska sy ireo misoloky, amin’ny alalan’ny finday, izay matetika mandefa soratra maro sosona na SMS any anaty finday any. Nisy mpanao kioska miisa efa samy vehivavy avokoa, nitondra vehivavy iray saika mbola hisoloky tamin’ny alalan’ny Mvola, afakomaly tamin’ny 9 ora maraina. Raha ny fanazavan’izy ireo, tonga teo amina kioska io vehivavy mpisoloky io, dia mody nanadino finday ary nindrana finday, amin’ny tompon’ny kioska hoe hiantsoany ilay olona tokony handefa vola eo aminy.  Tamin’ireo vehivavy  sasany kosa, fanararaotana miendrika fandraikiraikena miharo fampatoriana mitsangana, satria mitaiza kely ilay tompona kiosa, ary mody mahafantatra an’io tompony io ilay vehivavy. Efa ela izy, araka izany, no mihaodihaody eo amin’ilay toerana. Iandrasany mitomany ilay zanaky ny tompona kioska, dia miditra izy mody maka vola, kanefa avy dia ilay finday fanaovana Mvola no raisiny ary tsy hitan’ny tompona kioska akory ny zavatra kitihiny ao anatiny. Avy eo izy miala rehefa vita ny fakany vola am-pitaka.

Tetika entina hanararaotana ny tompona kioska izany hampidirany anarana « Mvola » tsy izy, ao anatin’ny findain’ilay kioska. Koa raha tsy mijery tsara, avy dia matoky fa naharay vola avy amin’ny Yas Mvola. Olona efatra no tratran’ilay mpisoloky io, tao Manakara, ary mitentina 3.000.000Ar any ho any ny vola efa lasany. Notanana vonjimaika ilay Ramatoa ary misokatra ny famotorana. Atolotra ny fitsarana ny raharaha rehefa vita ny famotorana. 37 taona ity vehivavy mpisoloky tra-tehaka ity, mipetraka ao amin’ny fokontany Ambodiapaly, Kaominina sy anatin’ny distrikan’i Manakara. Ny tobim-paritra Manakara no misahana ny famotorana, izay efa nangatahana fanampiana avy amin’ny GAPJ Fitovinany momba ny famotorana, mba hahafahana mandrava ny tambazotra mpisoloky, ao anatin’ny distrikan’i Manakara. Mila mailo, araka izany, ireo mpikirakira fandefasana vola amin’ny finday, satria tsy kely lalana ireo ratsy, indrindra fa resaka vola no resahina.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer