Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

« COCKTAIL MOLOTOV » TETSY ANTANIMENA SY 67HA: 30 niakatra Fampanoavana, telo nidoboka eny Tsiafahy, roa Antanimora

Niakatra fampanoavana ireo olona 30 voasaringotra tamin’ny resaka raharaha fampihorohoroana, nametrahana « cocktail molotov » tetsy amin’ny Pac 67 Ha sy tetsy akaikin’ny Pradon Antanimena. Telo lahy naiditra eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy, raha roa kosa, etsy amin’ny fonjan’Antanimora, telo hafa eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Hiakatra fitsarana etsy Anosy, ny faha-15 sy faha 19 mey hoavy izao ity raharaha ity…

Niakatra fampanoavana ireo olona 30 voasaringotra tamin’ny raharaha fampihorohoroana, nametrahana « cocktail molotov » tetsy amin’ny Pac 67 Ha sy tetsy akaikin’ny Pradon Antanimena, ny afakomaly  lasa teo, rehefa avy natao fanadihadiana. Telo lahy tamin’izy ireo no naiditra eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy, ka isan’izany ny lehilahy iray mpiambina eo amin’ny Villa Pradon, sy mpiambina ao amin’ny Cnaps. Nanaitra ny maro kosa, ny fahitana fa isan’ireo naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny vadin’ilay kolonely karohina fatratra. Olona telo hafa, eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Hiakatra fitsarana etsy Anosy, ny faha-15 sy faha 19 mey hoavy izao ny raharaha fampihorohoroana mitana ny sain’ny maro ity. Hatreto, mbola mitohy hatrany ny fikarohana ilay kolonely. Raha tsiahivina ny zava-mitranga, nisy nametraka « Cocktail Molotov » sy taratasy miendrika trakta anoloan’ny vavahadin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny Pac 67 Ha, ny fiandohan’ny volana aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sasany alina. Nahitana io tranga io koa omaly, manodidina ny tamin’ny 3 ora maraina tany ho any, tetsy akaikin’ny Pradon Antanimena, izay mifanakaiky kely amin’ny toeram-pivarotana H&H Mode, izay akaikin’ny lalan’ny mpandeha tongotra. Isan’ny nahitana ilay trakta koa teny an-toerana, izay miresaka momba ilay raharaha  « cocaïne » tany Nosy Be sy ny tany Faradofay. Efa nizaha ifotony teny an-toerana koa ireo mpitandro filaminana isan-tokony. Vantany vao nandre io tranga io ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena,  nidina ifotony teny an-toerana ny zandary miisa dimy, mba hijery akaiky ny zava-misy. Ny hita teny an-toerana,  dia trakta tamin’ny taratasy fotsy nipetraka akaikin’ny varavarana manoloana ny Fitsarana ary tavoahangy iray misy solitany na « pétrole » sy lamba ao anatina « cocktail Molotov ». Isan’ireo tonga teny ifotony ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny avy amin’ny polisin’ny boriborintany fahafito.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer