Songadim-baovaoSosialy
ZAZAVAVY TAIZANA AO AMIN’NY AKANY AVOKO : Nanao fitsidihana ny Rovan’Ambohimanga
Notanterahina omaly ny fitsidihana niarahan’ny Miss Madagascar 2024 Cyria Temagnombe sy ny Reny mpiahy azy, ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy, teny amin’ny Rovan’Ambohimanga, izay nitondrana an’ireo zazavavikely taizana eny amin’ny Akany Avoko Faravohitra. Araka ny fanazavan’ny Miss Cyria Temagnombe, dia hetahetan’ireo ankizy beazina ao amin’ny Akany Avoko ireo ny hitsidika ity toerana manan-tantara ity nandritra ny fitsidihany teny amin’ny Akany. Ka noho izany indrindra no nisafidianana ny teny amin’ny Rovan’Ambohimanga. Araka izany, nanampy azy tamin’ny fikarakarana izao fitsidihana izao ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy, izay Reny Mpiahy azy rahateo. Tsara ho fantatra fa fepetra takiana any amin’ny Miss Monde ihany koa izao hetsika tanterahin’ny Miss Cyria Temagnombe izao.
Ireo zazavavy beazina ao amin’ny Akany Avoko ireo moa dia ireo ankizivavy niharan’ny herisetra teny anivon’ny fiarahamonina, nailiky ny Ray aman-dReny, na niasa tamin’ny olona dia tsy misy aleha intsony. Ny Akany noho izany no mandray an-tanana azy ireo amin’ny fianarana, sakafo, fampiantranoana, sy ny sisa. Misy fampiofanana ataon’ireo ankizy ihany koa, toy ny patisserie sy ny rary.
Tsiahivina fa hanainga hihazo an’i Inde ny Talata ho avy izao ny Miss Madagascar Cyria Temagnombe, izay hiatrika ny fifaninanana Miss Monde manomboka ny 7 Mey. Hatreto isika dia tafiditra ao anatin’ny TOP 40, amin’ny mpifaninana miisa 120.



