PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA: Hitafa amin’ny vahoaka malagasy rahampitso
Araka ny fampahafantarana navoakan’ny Fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara omaly dia hitafa mivantana amin’ny vahoaka malagasy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina rahampitso alahady 04 mey 2025 amin’ny 08 ora alina. Fandaharana izay ho azo arahina mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy amin’ny pejy ofisialin’ny Fiadidiana ny Repoblika ao amin’ny Tambazotran-tserasera Facebook.
Tsy nanome antsipiriany amin’izay lohahevitra horesahin’ny Filohan’ny Repoblika mandritra ny fandaharana moa ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Tombanana ho asian’ny Filoha jery todika kosa ny mahakasika ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron teto amintsika, sy ny fampiantranoana ny Fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI). Eo koa ny mahakasika ireo Nosy Malagasy izay lasa niverina ho ivon’ny adihevitra eny anivon’ny fiarahamonina sy ny haino aman-jery indray, taorian’ny fitsidihan’ny Filoha Frantsay. Ankoatra ireo, tombanana ihany koa ny hiresahan’ny Filohan’ny Repoblika ny fiatrehana ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, ny 26 Jona 2025. Ary ny handraisantsika indray ny fihaonana an-tampon’ny SADC amin’ny volana Aogositra.
Marihina moa fa ity rahampitso ity no tafa voalohany amin’ny vahoaka malagasy hotanterahin’ny Filoha Andry Rajoelina, taorian’ireny hetsika goavana samihafa noraisin’i Madagasikara teo ireny.




