Fanadihadiana Manokana

MPITARIKA “DIA FIBEAZANA”: Mila mahafehy fomban-tany sy manana fifandraisana maro

Niteraka adihevitra teny anivon’ny fiarahamonina ny fahafatesan’ireo ankizy mpianatra avy any Manjakandriana nanao dia fibeazana tany Mahajanga. Maro ireo nilaza fa tokony hajanona ny fanaovana dia fibeazana. Tsy miombon-kevitra amin’izany, etsy an-kilany, ireo mpisehatra amin’ny fibeazana satria mitondra fahalalana maro ho an’ny mpianatra ny fanatanterahana izany. Na eo aza anefa io hevitra dia mila olona hentitra kosa anefa ny mitarika ireny dia fibeazana ireny. Mitaky fahafehezana fomban-tany sy manana fifandraisana maro.

Iray amin’ireo fomba fampianarana azo hampitana fahalalana any amin’ireo mpianatra ny fanatanterahana “dia fibeazana” na “voyage d’étude”. Manomboka eny amin’ny lisea hatrany amin’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite amin’ny ankapobeny no manatanteraka izay dia fibeazana izay. Nampiteraka indray adihevitra mahakasika ny fanatanterahan’ny sekoly dia fibeazana anefa ny zava-nitranga tany Mahajanga andro maromaro lasa izay. Raha tsiahivina, mpianatra 5 mianadahy avy amin’ny lisea Manjakandriana nanao dia fibeazana tany Mahajanga no dobo an-dranomasina tany amin’ny toram-pasik’i Antsanitia tamin’ny tolakandron’ny 24 aprily lasa teo. Fitsidihana 3 andro no nataon’izy ireo tany an-toerana ary tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana ny fandehanana tany Antsanitia. 15 minitra nijanonana tao anaty rano anefa dia niseho ny loza. Tojo toerana lalina ireo mpianatra, nifampisintona sy nifamonjy ka izay no nitarika ny fahafatesany. Manoloana io loza io, maro ireo nilaza fa tokony hatsahatra avy hatrany ny fanaovana dia fibeazanana eny anivon’ny sekoly.

Tsy miombon-kevitra amin’io fampitsaharana ny fanaovana dia fibeazana io ny ankamaroan’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana. Mpampianatra eny amin’ny Oniversite iray tafaresaka taminay no nilaza fa tsy azo heverina mihitsy izany fanafoanana ny fanaovana dia fibeazana izany. Maro ny tombony amin’ny fanatanterahana io fivoahana io. Nohazavain’io mpampianatra io fa fampiharana mivantana ny lesony noraisin’ny mpianatra tany an-tsekoly ny dia fibeazana. Izany hoe manampy betsaka ny mpianatra amin’ny fampitomboana hatrany ny fahalalany. Mandritra ireny dia fibeazana ireny dia mampitaha ny lesona tany an-tsekoly sy ny zavatra hiainana mivantana eny an-kianja ireo mpianatra. Mandray ny zavatra hitany ary miezaka mitondra tolon-kevitra mba ho vahaolana. Fitsidihana tanàna sy toerana, orinasa sy seha-panjakana no atao mandritra izany.
Na izany aza, mila hentitra ny fanaovana dia fibeazana, hoy hatrany ny fanazavana. Tokony ho mahay mitondra olona sy mahafehy fomban-tany no mitarika dia fibeazana. Tsy maintsy misy foana mantsy ny fady amin’ny toerana maro manerana ny Nosy. “Mila fifehezana mafy ireo mpianatra. Manana ny fadiny amin’ny ankapobeny ny ranomasina: rà, loko mena, volamena sy kisoa. Mila ampahafantarina mialoha amin’ny mpianatra ireo mba hisorohana ny loza”, hoy ny mpampianatra. Ankoatra io, tokony ho olona manana fifandraisana maro any amin’ilay toerana tsidihina ihany koa no mitarika ny dia fibeazana. Manampy betsaka io fifandraisana io satria manoro lalana ny vondrona amin’ireo zavatra tokony hatao sy ny tsia. Afaka manampy ny famandrihana ny fotoana hanatanterahana ny fitsidihana any an-toerana ihany koa io olona mifandray io.

Fanaovana fangatahana mialoha sy tsy maintsy misy mpiantoka

Niainga avy tamin’io tranga niseho tany Mahajanga io hatrany, nampatsiahy indray ny andraikiny ao anatin’ny fanatanterahana ireny dia fibeazana ireny ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa nohatsaraina ny fepetra mahakasika ny dia fibeazana ka nisy ny fiarahana nisalahy tamin’ny « Agence de Transport Terrestre » (ATT). Mba ho fisorohana ireo loza mety hitranga, araka izany, dia fepetra maro no napetraka. Anisan’izany ny hoe:
-tsy maintsy hanaovana fangatahana mialoha rehefa handeha hanao dia fibeazana.
-tsy maintsy maka fahazoan-dalana manokana any amin’ny ATT ihany koa ny sekoly izay hitondra mpianatra.
-tsy maintsy misy mpiantoka avokoa ireo mpianatra  ka ny ONAPASCOMA no miandraikitra izany ho an’ny sekolim-panjakana.
-tsy maintsy hamarinina eny anivon’ny Cisco miadidy ilay sekoly ny maha misy mpiantoka na tsia ireo mpianatra handeha hanao dia fibeazana ho an’ireo sekolim-panjakana. Ho an’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly miahy tena kosa dia tsy maintsy mitondra taratasy manamarina fa voantoka ara-dalana any amin’ny trano-mpiantoka hafa.
-tsy maintsy mampahafantatra ny DREN miadidy ilay Cisco misy ny sekoly ihany koa ireo sekoly hitondra ireo mpianatra, 15 andro mialoha.

Mahakasika ny fivezivezena mandritra ireo fotoan’ny dia fibeazana, voarakitra ao anatin’ny naoty laharana 2024/915-MEN-SG navoakan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny 12 septambra 2024 ny mahakasika izany. Voafaritra ao anatin’izany fa ny Cisco no manome fahazoan-dalana rehefa ao anatin’ny Cisco iray ihany ny dia aleha. Raha toa ka miova DREN, ankoatry ny fahazoan-dalana avy amin’ny Cisco dia tsy maintsy hampahafantarina mialoha ny DREN hivantanana amin’ny dia fibeazana mba hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny DREN roa tonta. Tsy maintsy alefa any amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena 15 andro mialoha ny fangatahana ataon’ny sekoly iray rehefa hanao “dia fibeazana” raha toa ka miala an’ilay faritra iray ilay toerana handehanana. Ny Ofisy Nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly na ny Sekretaria Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no manome fahazoan-dalana mahakasika izany. Tsy maintsy hamarinina araka izany fa tena dia fibeazana tokoa no hataon’ny sekoly.

Tsa  any manamarika rehefa misy loza na voina an-tsekoly dia ny « ONAPASCOMA » no tompon’andraikitra voalohany indrindra. Mba ahafahan’ireo mpianatra misitraka fiantohana avy amin’izany dia tsy maintsy miditra ho mpikambana ao anatiny ireo mpianatra ka mandoa ny latsakemboka 200 Ariary isan-taona, isaky ny mpianatra tsirairay. Mikarakara ireo mpianatra rehetra eny anivon’ny sekolim-panjakana na sekoly miahy tena ny ONAPASCOMA. Ho an’ny sekoly tsy miankina amin’ny Fanjakana kosa dia afaka manao fiantohana hafa ankoatra ny ONAPASCOMA izy ireo.

 

Miato ny fanaovana dia fibeazana ho an’ny CISCO Manjakandriana

Taorian’ny tranga nahafatesana ireo mpianatra avy ao amin’ny lisea Manjakandriana ka nanao dia fibeazana tany Mahajanga moa dia nandray fepetra mifanaraka amin’ny fandrindrana ny fanaovana dia fibeazana ny tompon’andraikitra any Manjakandriana. Namoaka naoty miaraka ny Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) sy ny Lehiben’ny Distrika ao Manjakandriana. Nambara fa miato aloha ny fanaovana dia fibeazana rehetra manerana ny Distrikan’i Manjakandriana. Izany no natao dia mba hisorohana ny loza mety hahazo ny mpianatra.

Mifanindran-dalana amin’izany, fepetra noraisina ihany koa ny fanamafisana fanentana amin’ny fisorohana ny loza. Tsongaina manokana ao anatin’izany ireo mpianatra mivezivezy eny amin’ny lalan’ny lamasinina izay manapaka ny tanàna. Hanatanteraka sy hanara-maso akaiky ny fampiharana izany ny avy amin’ny Cisco Manjakandriana sy ny lisea any an-toerana. Ankoatra io, hirosoana ihany koa ny fampianarana mahakasika ny vonjy voina. Hisitraka fiofanana mifanaraka amin’izany ireo mpanabe sy mpampianatra, izay iantsorohan’ny tompon’andraikim-panjakana ao Manjakandriana, araka ny fanazavana noentin’ny lehiben’ny Distrika hatrany.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer