PolitikaSongadim-baovao
03 MEY 2025 : Marihina anio ny Andro iraisampirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety
Marihina amin’ny fomba ofisialy any Morondava, faritra Menabe anio ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety (JMLP). Hetsika nandritra ny telo andro no nokarakaraina, nanomboka ny 01 ka hatramin’ny anio 03 mey 2025. Lohahevitry ny fankalazana manerantany amin’ity taona ity moa ny hoe « Ny fiantraikan’ny faharanitan-tsaina artifisialy eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny Haino aman-jery ».
Mpanao gazety an-jatony avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no mifampitaona ao Morondava ho fanamarihana ity andro anio ity. Nisy atrikasa sy fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpanao gazety sy ny manam-pahefana tao an-toerana notronin’ny solontena avy ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety dia tsy manome fahefana ho an’iza n’iza hivoy vaovao tsy marina, araka ny nivoitra nandritra ny atrikasa.
Marihina fa nanomboka ny taona 2019 no miaraka manamarika ny JMLP ireo mpanao gazety rehetra anatin’ny tapany atsimon’i Madagasikara, ka izao omena lanja anatin’ny fanamarihana nasionaly izao. Voasolo tena avokoa moa ireo mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy.




