PolitikaSongadim-baovao
FIPARITAHAN’NY TSAHO SY NY VAOVAO DISO: Mampitandrina amin’ireo misandoka ho mpanao gazety ny Filoha
Malalaka ny sehatry ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, raha ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, omaly tao amin’ny Fahitalavi-pirenena. Ary ny Fitondram-panjakana izay tarihiny dia mandala tanteraka ny fahalalahana maneho hevitra sy ny Demokrasia. Manaporofo izany, hoy izy, ireo Haino aman-jerin’ny Mpanohitra izay manao fandaharana mandritra ny tontolo andro mitondra tsikera sy fanakianana rano fotsiny ny Fitondram-panjakana, saingy tsy misy fepetra fanakatonana na fanajanonana ireny fandaharana ireny mihitsy.
Novakian’ny Filoha Andry Rajoelina bantsilana omaly moa ny fisian’ireo olona mpikirakira tambazotran-tserasera izay nambarany fa tsy niofana na nianatra momba ny asa fanaovan-gazety akory, kanefa dia mamoaka vaovao tsy voamarina sy tsy voalanjalanja, ary matetika mamoaka vaovao diso, ireny karazan’olona ireny no tena manimba ny sehatry ny asa fanaovan-gazety. Fotoana izay nampirisihany ireo tena mpanao gazety niofana sy nianatra mba ho matihanina amin’ny fanatanterahana ny asa, hisorohana ny fanelezana vaovao tsy mari-pototra. Tato anatin’ny fotoana maromaro tokoa mantsy dia hita ho nahazo vahana io famoaham-baovao ao amin’ny tambazotran-tserasera io, indrindra ny Facebook. Matetika ireo mpamoaka ny vaovao tsy miditra amin’ireo dingana marolafy mialohan’ny famoahana ny vaovao fa avy hatrany dia mandefa izany any amin’ny tambazotra, ka mety hiteraka olana isan-karazany.
Araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina omaly dia eo am-pijerena ny vahaolana mahakasika ity resaka fanelezana tsaho sy vaovao diso ity ny Fitondram-panjakana ankehitriny, indrindra ireo misandoka ho mpanao gazety. Mety hisy volavolana tolo-dalàna mifandraika amin’izany, raha ny nambarany hatrany.




