PolitikaSongadim-baovao
FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY : Azo itokisana ve ny mason-tsivan’ny fanasokajiana havoakan’ny RSF?
Ho fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, isaky ny datin’ny 03 mey, dia namoaka ny tatitry ny fanadihadiana manasokajy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isaky ny firenena ny RSF (Reporters Sans Frontières). Nivoaka tao anatin’io tatitra farany io fa nihemotra ho eo amin’ny 113 ny laharana misy an’i Madagasikara (nahazo naoty 50,8), raha toa ka teo amin’ny laharana faha-100 (nahazo naoty 54,07) no nanasokajiana antsika tamin’ny taona 2024 lasa teo. Niteraka adihevitra tamin’ireo mpisehatra maro amin’ny asa fanaovan-gazety moa io fanasokajiana io. Ao ireo nilaza fa mitombina ny fihemorana satria mbola misy ny mpanao gazety nampidirina am-ponja teto amintsika. Nohamafisin’ny avy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hatrany anefa fa tsy misy ifandraisany amin’ny fahadisoana tamin’ny asa fanaovan-gazety ny antontan-taratasin’ady mahavoasazy ireo olona tononina matetika ireo, na dia nisehatra teo amin’izany asa fanaovan-gazety izany aza izy.
Araka izany, misy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Manaporofo izany ny fahamaroan’ireo orinasan-gazety misy eto amintsika. Miisa 739 ankehitriny ny haino aman-jery eto Madagasikara. Onjam-peo ny 570 ary fahitalavitra ny 169. Ankoatra ireo gazety an-tsoratra sy gazety an’habaka, anisan’ny firenena aty Afrika manana orinasan-gazety maro i Madagasikara. Saika manana orinasan-gazety ihany koa ny ankamaroan’ireo filohana antoko mpanohitra eto amintsika. Hatramin’ny taona 2019 nitondran’ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy nisy ny fanakatonana haino aman-jery na iray aza. Midika izany fa mampiroborobo ny fahalalahana i Madagasikara.
Mbola manamafy hatrany io fisian’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara io moa ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny sabotsy lasa teo, nandritra ny famaliany ny fanasana ho fanamarihana ny fahafolo taonan’ny fandaharana Don-dresaka ao amin’ny fahitalavitra TV Plus. Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay sady filoha tale jeneralina orinasan-gazety eto Madagasikara ihany koa. Nambarany fa “tsy misy kosa anefa ny fahalalahana tonga lafatra… Na ny ao anaty Lalam-panorenana aza dia misy fetra ihany”. Matetika, hoy izy, no hafangaron’ny olona foana ny hoe ny fahalalahana dia midika ho baranahana sy samy manao izay tiana atao. Eo matetika no mahatonga hatrany ny adihevitra hoe misy na tsy misy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety rehefa manamarika ny datin’ny 03 mey isika. Mahakasika ny fanasokajiana navoakan’ny RSF indray, nohazavain-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy hatrany fa tsy azo hadika ho fitotonganan’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny fihemorana laharana tao amin’io fanasokajiana io. Maro ankehitriny ny mametraka ahiahy hoe tena azo hitokisana tokoa ve ny mason-tsivana hapetraky ny RSF ka mahatonga azy ireo hamoaka ireo fanasokajiana? Ny Covid-19 izay nisy fiantraikany teto amintsika ka nampiova ny tarehimarika. Teo ihany koa ny fanovana fomba fiasa napetraky ny RSF izay mety hitarika tsy fahatomombanana. Ohatra amin’izany ny mbola fitodihany tamin’ny lalàna napetraka tamin’ny taona 2016 kanefa efa ny lalàna 2020-006 no nampiharina tamin’izany taona 2021 izany. Ankoatra ireo, nanambara ihany koa ny avy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa mitanila ny fanontaniana hapetraky ny RSF tao anatin’ny fanadihadiana izay nataony. Nampifangaroana ny mety ho fahadisoana amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahadisoana tsotra. Rehefa natao ny fampitahana ny fanadihadiana nataon’ny RSF tamin’ny taona 2023 sy tamin’ity fanadihadiana farany ity dia teboka iray tamin’ireo mason-tsivana ihany no niova, hoy ny fanazavana. Mampametra-panontaniana, araka izany, ny elanelana misy eo amin’ny fanasokajiana.
S.S




