Songadim-baovao

FAMERENANA NY FANDRIAMPAHALEMANA : Miaramila 14 avy amin’ny ZRPS Alfa nankasitrahana

Manoloana ny famerenana ny fandriampahalemana any amin’ny Faritra Atsimo nataon’ny ZRPS Alfa, tany Atsimo. Nankasitrahan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena izy ireo omaly, tamin’ny fanavotana zazalahikely 13 taona sy namerenana ireo omby miisa 124 voaroban’ny dahalo…

Hery lehibe ho an’ny miaramila any ifotony ny fankasitrahana tahaka izao.

Nankasitrahan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, tamin’ny alalan’ny minisitra, ny Jly Rakotonirina Richard omaly teny Ampahibe, ireo miaramila 14 avy amin’ny ZRPS Alfa. Izy ireo izay nahavita namerina omby miisa 124 sy nanavotra zazalahikely 13 taona natao takalonaina, teo am-pelatanan’ireo dahalo tsy mataho-tody, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sakafy, distrikan’Amboasary, ny farany volana aogositra lasa teo.  Tsy mijery fotsiny izany ezaka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena fa mandray ny andraikiny tanteraka, mba hahatonga azy ireo havitrika amin’ny fanatanterahana ny asa izay iandraiketany. Ka notolorana mari-pankasitrahana sy vola izy 14 mirahalahy, noho ny vokatra tsara, izay misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy ny fahaiza-manaon’izy ireo sy ny fahasahiany.

 “Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Iaraha-mahita ireny zava-niseho tamin’ny rahalahy avy ao amin’ny Zandarimaria, izay naratra voatifitry ny dahalo, ary nalaina tamin’ny angidimby an’ny Tafika Malagasy, vao tsy ela akory izay. Ny Tafika Malagasy sy ny avy amin’ny Zandarimaria dia mifanome tanana, ary izay no maha Foloalindahy ny Foloalindahy”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard. Modely ho an’ny miaramila izy ireo, manao ny ainy tsy ho zavatra ho an’ny mpiara-belona.  Tsapan’ny vahoaka fa efa miverina tsikelikely ny fandriampahalemana any ambanivohitra lavitra ihany, raha ny fanampim-panazavana satria afa-mihary ny mponina.

Basy mahery vaika  sy grenady iray

Basy sy grenady azo tany amin’ny dahalo.

Ao anatin’ny hetsika fampandrian-tany ny Kaominina Ambatomainty, Ikalamavony, amin’izao fotoana izao. Mbola totoafo ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana mahakasika ireo dahalo, sy mpiara-dia amin’ilay raindahin-dahalo efa lavo antsoina hoe Ingahivao tao anatin’ny faritra Andoharano, Amboasary, Ambatomainty, Ikalamavony. Noho izany indrindra no nanirahan’izy ireo olon-tsotra iray natao iraka hanatitra ireo fitaovam-piadiana mbola eo am-pelatanany, raha nandalo tany Fenoarivo Ambatofinandrahana ny Jly kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimaria Fianarantsoa sy ny Manamboninahitra mpandrindra avy ao Ikalamavony.

Vokany, nahazoana basy mahery vaika iray sy grenady iray ary bala folo izany, ny 8 septambra lasa teo. Hita sy tsapa fa efa mihorohoro tanteraka ireo jiolahy sy dahalo any amin’iny faritra iny satria mihamafy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny  Zandary sy Tafika, izay miara-miasa tanteraka amin’ny vahoaka any an-toerana. Mitohy, araka izany, ny hazalambo sy ny famotorana ka tsy ho ela dia ho sarona avokoa ireo dahalo rehetra nampihorohoro any Ikalamavony sy Ambatofinandrahana, tonga hatrany Isandra.

Fermer