Songadim-baovaoSosialy
FAMOAHANA NY VADIN’NY KLY PATRICK: Nitondra fanazavana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana
Manoloana ny raharaha nampidoboka am-ponja ny vadin’ny Kly Patrick noho ny raharaha anenjehana ity Kolonely sady Mpitsabo miasa etsy amin’ny CENHOSOA etsy Soavinandriana. Nitondra fanazavana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, tamin’ny alalan’ny fanambarana navoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ara-tsosialy facebook, omaly alina. Manoloana ny raharaha namonjana vonjimaika ny vadin’ny Kly Patrick sy ny namany, dia napetraky ny mpitsara mpanao fanadihadiana ho tafiditra am-ponja vonjimaika, ny vadin’ny Kly Patrick voampanga, izay nanao fanatrehana voalohany tamin’ny talata 29 avrily 2025 noho ny resaka fanadihadiana. Nanatitra fanoherana momba ny fiampangana azy ny vadin’ny Kly Patrick, ny alarobia 30 avrily 2025. Araka ny voalazan’ny andininy faha-110 amin’ny Lalàmpanorenana malagasy momba ny fifandimbiasan-dalàna amin’ny Mpampanoa lalàna, dia nandray baiko avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana ny Mpampanoa lalàna tsy hanohitra ny famotsorana vonjimaika ilay voampanga, izay fanapahan-kevitra ananan’ny misahana ny fitazonana vonjimaika fahefana hanao izany, izay nanao fanapahan-kevitra tao anatin’ny fahaleovantena tanteraka. Hetaheta moa ny an’ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny tafa nataony, ny alahady alina, ny amin’ny hamotsorana azy, raha tsy misy tokony hidirany, mahakasika ilay raharaha fametrahana « cocktail molotov » sy fanaparitahana trakta mihantsy fankahalana.
Ny Fanoratana.




