PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA: “Tsy azo ekena raha olona mbola hadihadiana ao anaty toby, kanefa tafatsoaka”
Naneho hevitra momba ny Raharaha Kolonely Rakotomamonjy Patrick ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, omaly tao amin’ny Kaonty Facebook-ny, ary nilaza mazava fa tsy azo ekena raha toa ka olona mbola atao fanadihadiana ao anaty toby, kanefa tafatsoaka. Araka ny fantatra dia efa lasa any ampitan-dranomasina ity manamboninahitra voasaringotra tamin’ny raharaha fametrahana cocktail Molotov ity ankehitriny.
Nazava ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly, raha naneho hevitra mahakasika ny raharaha Kolonely Rakotomamonjy Patrick. Nambarany fa “Tsy azo ekena hoe olona iray izay mbola atao fanadihadiana, ary ao anaty toby, kanefa tafatsoaka”. Notsindrian’ny Filoha fa tsy maintsy mandray fepetra hentitra sy haingana amin’izay nanao tsirambina sy voakasik’izany ny tomponandraikitra. “Rehefa misy zavatra tsy mety sy tsy tomombana, dia tokony harenina haingana. Ary tsy tokony hiseho intsony ny tranga toy izany”, hoy hatrany ny Filoha.
Raha tsiahivina ny zava-nitranga, taorian’ny fametrahana “cocktail Molotov” sy trakta manambara fampiadiana sy fandrahonana teny 67 ha sy ny Villa Pradon Antanimena, ny volana avrily lasa teo, dia nosokafana ny fanadihadiana. Nambaran’ny Hery fiarovana sy filaminana nanao fanambarana ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava fa rehefa nosokafana ny fanadihadiana, dia hita tamin’ny alalan’ny “caméra de surveillance” na fakan-tsary andrimaso ny fisiana olona roa nandeha môtô nametraka ireo zavatra ireo. Narahina ny toerana niaingany sy nandalovany, dia hita sy voaporofo fa ny médecin colonel Rakotomamonjy Simon Patrick no nanao io asa ratsy io. Porofo tsy azo lavina ny fisiany sary hita tamin’ny fakantsary andrimaso ary ny fitsoahany dia midika zava-dehibe amin’ny andraikitra raisiny. Manoloana io raharaha hiampangana azy io. Voasambotra izy, ny 14 aprily 2025 maraina, natao ny fanadihadiana niarahany polisy sy zandary ary natao andrimaso tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Ny 16 Aprily 2025 tokony tamin’ny 05 ora 30 mn maraina izy no nitsoaka ny toerana nitazomana azy, nanararaotra ny nahavariana ny mpiandry raharaha. Nitohy ny fanadihadiana ary voasambotra ilay namany nitondra môtô. Nanamafy ny asa ratsy nataon’ny Kly Patrick tamin’io andro voatonona io izy, araka ny tatitra.




