PolitikaSongadim-baovao
FANDRAISANA FEPETRA AMIN’NY ZAVA-MISY ERAN-TANY: Vonona amin’ny fandaniana volavolan-dalàna na tolo-dalàna ny Antenimierampirenena
Vonona amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hialana amin’ny mety ho voka-dratsin’ny zava-misy maneran-tany miseho amin’izao fotoana ny Antenimieram-pirenena, amin’ny alalan’ny fandaniana volavola na tolo-dalàna anatin’izao fotoam-pivoriana ara-potoana izao. Nanomboka omaly ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena…
Nandritra ny fanombohan’ny fotoam-pivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena omaly, teny Tsimbazaza, no nanambaran’ny Filohany, ny fahavononan’ny Andrimpanjakana ity, hanampy ny Fitondram-panjakana, raha misy fanapahan-kevitra azo horaisina manoloana ny zava-misy maneran-tany. Anisan’izany ny fanapahan-kevitry ny firenena Amerikana, mikasika ny fifanakalozana ara-barotra. Fa eo koa ny mbola fitarazoan’ny ady amin’ny samy firenena, toa an’i Palestina sy Israely, Okraina sy Rosia, izay mampisy fiantraikany mivantana amin’ny firenen-kafa. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, fa anisany mizaka ny vokatr’izany i Madagasikara, ka anjarantsika no mandray fepetra mba tsy hisian’ny fiantraikany goavana manoloana ireo zava-misy amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Nomarihany mazava, fa “raha misy volavolan-dalàna na tolo-dalàna tokony halefa eny amin’ny Antenimierampirenena amin’ny fandraisana fepetra, entina hiatrehana izay voalaza, dia vonona ny amin’izany ity Andrimpanjakana ity anatin’izao fotoam-pivoriana izao”. Ankoatra izay, fantatra isaky ny Fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena, ny volana Mey tahaka izao, fa hisongadina mandritra izany, araka ny voafaritry ny lalàna izay laharam-pahamehan’ny eo anivon’ny Governemanta. Voalohany amin’izany ny Volavolan-dalàna manitsy ny Tetibolam-panjakana (LFR 2025), izay miainga amin’ny laharam-pahamehan’ny Governemanta, miainga amin’ny Politika ankapobeny Fanjakana. Ankoatr’izay, toy ny mahazatra, ny fahatongavan’ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna izay tsy maintsy holaniana mandritra ny fotoam-pivoriana voalohany tahaka izao.
Hisy ny “face à face” amin’ny amin’ny Governemanta
Amin’ity indray mitoraka ity, dia fantatra, fa tsy maintsy hisy ny fihaonan’ny Solombavambahoaka amin’ireo Governemanta, raha tsy nisy izany tamin’ny fotoam-pivoriana farany, ny taona 2024, noho ny zava-misy toy ny fanomanana fifidianana sns. Ny fihaonana hianatrehan’ny Governamanta amin’ireo Depiote tahak’ireny moa, dia hametrahan’ireto farany fanontaniana amin’ny maha mpanara-maso ny asan’ny governemanta ity Andrimpanjakana ity. Io fihaonana io ihany koa no hahafahan’ny governemanta manao tatitra amin’ny Parlemanta, mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mahalala ireo zava-bitan’ny Fitondram-panjakana, sy ny tetikasa andalam-panatanterahana sy andalam-pamolavolana amin’ny alalan’izany. Niditra omaly 06 Mey 2025, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany an’ny Antenimierampirenena amin’ity taona ity. Nandritra ny lanonam-panokafana omaly, no nilazalazan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ireo lahasa natao nandritra ny taom-pikatrohana 2024. Manomboka anio Alarobia 07 Mey 2025 kosa, dia hiroso avy hatrany amin’ny fivoriana ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, arahin’ny dinik’ireo Filoha (Conférence des Présidents). Ny tolakandron’io ihany dia hirosoana ny fivoriam-be azon’ny besinimaro hatrehina, handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena (Ordre du jour).
Stan R.




