Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY BY-PASS: Natao am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay teratany sinoa

Natolotra ny Fampanoavana omaly, ilay raharaha lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona miisa 04 teny By-Pass, ny alin’ny Alarobia 30 Aprily 2025. Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay teratany Sinoa nahatonga ny loza. Nanomboka tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io no notazonana ity lehilahy teratany vahiny ity teny amin’ny biraon’ny Polisy, nanaovana Fanadihadiana savaranonando, izay nanitarana ny andrimaso natao azy. Andrasan’ny maro, fa indrindra ny fianakaviana sy ny olona akaiky azy telo mianaka nodimandry ireo, ny fitsarana tsy mitanila fa amin’ny ara-drariny ity raharaha namoizany ny havany ity. Andrasana moa izay fotoam-pitsarana azy izay. Raha tsiahivina, dia miisa 04 ireo matin’ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiara nisy ity teratany Sinoa ity. Raha hiverenana ihany, dia fiara “Hyundai” sy “Clio” no nifandona mafy. Avy any Iavoloha hianavaratra ilay “Hyundai”, ary nikasa hanatitra ny namany teny Iavoloha kosa, ilay “Clio”. Maty teo noho eo ilay raim-pianakaviana, ary taorian’izay ny vady aman-janany sy ilay namany. Ny alahady 04 Mey lasa teo moa, no fotoam-pandevenana ireo telo mianaka nindaosin’ny fahafatesana azy telo mianaka ireto.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer