PolitikaSongadim-baovao

« CONCLAVE » HIFIDIANANA NY PAPA VAOVAO : Hanomboka anio ny fihibohan’ireo Kardinaly, efa dodona ny Mpino katolika maneran-tany

Hitodika any Vatican-Roma ny mason’izao tontolo izao manomboka anio Alarobia 07 Mey 2025, fotoam-panombohan’ny fivoriana mihiboka na « Conclave » hotanterahin’ireo Kardinaly latsaky ny 80 taona maneran-tany, hifidianana ny Papa vaovao faha-267, hitondra indray ny Eglizy Katôlika maneran-tany, taorian’ny Papa Fransoà. Ao amin’ny Lasapela « Sixtine » no hanatanterahan’ireo Kardinaly izany, ary hatramin’ny omaly dia fantatra, fa efa tomombana avokoa ny zavatra rehetra enti-manatanteraka izany, manoloana ny fombafomba fanaon’ny Eglizy. Hatramin’ny ankanjon’ny Papa vaovao ho voafidy eo dia fantatra, fa efa hita ao an-toerana. Tsara marihina amin’ny ara-tantara, fa hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 ka hatramin’ny « Conclave » farany niha voafidy ny Papa Fransoà, dia tsy nisy fivoriana mihiboka nihoatra ny 04 andro nifidianana ireo Papa nifandimby. Izany hoe teo ho eo amin’ny latsa-bato miisa 15 teo raha betsaka indrindra, dia voafidy ny Papa vaovao. Nambaran’ny Mpanao gazety manam-pahaizana manokana ao Vatican, aza, fa « tsy misy fepetra hentitra momba ny faharetan’ny « Conclave » io, izay fantatra fa tsy haharitra fotoana ela ». Mbola nomarihan’io farany, fa « Amin’izao andro maoderina izao, dia sarotra ny hieritreretana ho herinandro manomboka ny 07 Mey izao io ». Azo eritreretina araka izany, fa mety hahazo Papa vaovao mialohan’ny Alahady 11 Mey, ny Eglizy Katôlika.

Raha tsiahivina dia miisa 133 ireo Kardinaly latsaky ny 80 taona hifidy Papa amin’ity « Conclave » manomboka anio ity, ka ny 18 amin’izy ireo avy aty amin’ny Faritra Afrika. Anisan’izany ny Evekan’i Diosezin’i Toamasina, Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana. Marihina, fa ny mari-pamantarana manokana naha voafidy na tsy mbola naha voafidy ny Papa hatramin’izay nandritra ny « conclave » toy izao, dia tamin’ny alalan’ny setroka mainty na fotsy tokana ihany. Mivoaka ny setroka mainty isaky ny mahavita fifidianana ireo Kardinaly, izay tsy misy lany na mbola voafidy. Ny fivoahan’ny setroka fotsy dia midika fa nahazo Papa vaovao ny Eglizy Katôlika. Aorian’izay dia miandry ny fampisehoana sy fanambarana ny anarany indray ny Kristianina, eo amin’ny an-tokontanin’ny Bazilikan’i Md Piera. Fantatra ihany koa, fa ny anarana Papa efa be nampiasa indrindra hatramin’izay 266 nisiany izay, dia ny hoe « Jean » na « Joany ». Ny mbola vitsy mpampiasa kosa, dia ny hoe « Paul » na « Paoly », araka ny tao amin’ny pejin’ny Katolika Info. Androany, araka izany, dia efa hisy setroka hivoaka eny ambony tafon’ny Lasapela Sixtine, ao Vatican, hamantarana na efa voafidy ny Papa na tsia. Kristianina katôlika marobe, no efa tonga eo amin’ny kianjan’i Md Piera ao Vatican, manomboka androany, miandry ny fanambarana Papa vaovao.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer