Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ROA VAVY MPISOLOKY: Efa nahazo vola maherin’ny 84 tapitrisa Ariary, voasambotry ny Polisy
Ankoatra ny ady amin’ny karazana asan-jiolahy eto an-dRenivohitra, dia tsy miraviravy tanana manoloana ny fiparitahan’ny asa fisolokiana miharo fampiasana taratasy hosoka misy amin’izao fotoana ihany koa, ny eo anivon’ny Polisim-pirenena. Vehivavy miisa roa, araka izany, no saron’ny Mpitandro filaminana, teny Tsaralalana, ny sabotsy 03 Mey 2025, teo am-panatanterahana asa fisolokiana tao amina tranom-barotra iray, teny Tsaralalana. Raha ny fanadihadiana natao taorian’ny nisamborana azy ireo dia fantatra, fa fitarainana miisa telo no azon’ny Polisy mikasika azy ireto, nanomboka ny volana Aprily no nankaty, vokatry ny fisolokiana nataony taman’olona. Araka izany, vola maherin’ny 84 tapitrisa Ariary, no efa azon’izy ireo tamin’io fisolokiana io. Manoloana izany dia nanao antso avo, miantso ireo olona manan-draharaha amin’ireo roa vavy voasambotra ireto ny Polisim-pirenena, mba hanatona na hiantso avy hatrany ny Kaomisarian’ny Boriborintany voalohany etsy Analakely, amin’ny laharana 034 05 998 27 hahafahana manohy ny fanadihadiana. Nentina nihazo ny biraon’ny Polisy moa izy ireo anaovana famotorana savaranonando, ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’izany.
Stan R.




