
PolitikaSongadim-baovao
SITENY RANDRIANASOLONIAIKO: Mirefarefa amin’ny tany tanteraka amin’ny fanehoan-kevitra
Na ny eo anivon’ny Vovonan’ny mpanohitra aza dia maro no tsy mankasitraka an’ingahy Siteny Randrianasoloniaiko izay napetraka ho Lehiben’ny Mpanohitra, amin’ny maha Filoha lefitra fahafito azy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nandritra ny fotoana maromaro izay dia tena lasa mirefarefa amin’ny tany tanteraka ny hevitra entin’ity mpanao politika ity.
Ankoatra ny maha Solombavambahoaka azy dia mbola izy koa no novidian’ireo Solombavambahoaka mpanohitra ho Filoha lefitry fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena, izay avy amin’ny fanoherana. Ankehitriny, mizarazara ny hevitry ny mpanohitra momba an’i Siteny Randrianasoloniaiko noho ny fanehoan-kevitra ataony izay lasa mirefarefa amin’ny tany tanteraka. Tsy misy votoatin-kevitra fa lasa fitia te hanao “buzz” sy hahazo setriny betsaka fotsiny ao amin’ny tambazotran-tserasera. Tsy manaja azy sy ny toerana misy azy mihitsy ny fanehoan-keviny.
Marihina fa tany amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no tena nahalalan’ny maro an’i Siteny Randrianasoloniaiko, mialohan’ny nidirany teo amin’ny tontolo politika teto Madagasikara, ary nahalany azy Solombavambahoakan’i Madagasikara. Toeram-boninahitra izany. Aingana dia aingana koa nefa ny fidinany any amin’ny farany ambany, amin’ny alalan’ireo fanehoan-kevitra ataony. Arak’ilay fomba fiteny mahazatra tokoa angamba hoe efa miakatra any amin’ny atidoha ny vola sy ny fahefana ?
Tena izany mihitsy ve?
Tsara tsindriana fa ingahy Siteny Randrianasoloniaiko dia tsy tsara toerana mihitsy raha hiresaka fanarahan-dalàna sy fampandrosoana. Raha tsiahivina, izy anisan’ireo niara-naka sary tamin’ireo mpanao trafika maloto teto amintsika, tao vitsy lasa izay, tao anaty Jet Privé. Asa! Mety mbola nijanona any amin’ilay fisainana maha mpanao afera azy angamba ny fomba fijeriny, ka tsy mifanandrify amin’ilay toerana politika sahaniny. Farany teo izao dia ilay akanjon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tany amin’ny fandevenana ny Papa indray no nametrahany olana. Fanontaniana mipetraka ny hoe tena izany mihitsy ve no tokony hanahirana ny Filohan’ny Mpanohitra eto Madagasikara fa tsy zavatra mahakasika ny fiainam-bahoaka sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny? Ary vao tsy ela fa vao andro vitsy lasa izay dia namaly ny Filoha Andry Rajoelina indray ny tenany, izay nilaza fa “Ny Pelaka no tsy misy hozatra”. Tena karazana teny tahaka izany ve no andrasana amin’ny mpanohitra ? Tamin’ny taon-dasa aza moa i Siteny Randrianasoloniaiko efa nahavita niantso ny Filoha Rajoelina mihitsy hanao “iray sy iray”.
Manam-pahaizana amin’ny fihetsiketsehana, amin’ny fampanantenana poakaty, ary amin’ny famakafakana diso raha i Siteny Randrianasoloniaiko manokana. Raha tsiahivina, ny tenany no nilaza fa 2% ihany no herijika hahatanterahan’ny Lalaon’ny Nosy teto amintsika, tamin’ny 2023. Niara-nahita anefa ny rehetra fa tontosa soa aman-tsara teto Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy. Mbola ingahy Siteny Randrianasoloniaiko koa no nanome toky nandritra ny fampielezan-kevitra nataony tamin’ny 2023 fa hamaha ny olan’ny seha-pihariana lavanila ao anatin’ny 24ora, ary hizara 2 000 miliara ariary eny anivon’ny Kaominina. Fampanantenana izay tsy mitombina mihitsy, izy rahateo koa moa tsy lany.
Ankoatra izay, milaza ho manindrahindra ny resaka fitsinjaram-pahefana ny tenany, kanefa amin’ny maha Solombavambahoaka azy dia mbola tsy nanolotra tolo-dalàna na iray aza mifandraika amin’izany. Amin’izao fotoana moa ny tetikasa Base Toliara indray no hanaovany fanoherana bontolo, izay ahitana tsara ny tena toetrany.
Ny Fanoratana.




