Songadim-baovaoSosialy

“TAGNAMARO”: Vita fanarenana tanteraka ny biraon’ny Kaominina Fenoarivobe

Tranainy sy efa ratsy ny ankabeazan’ny fotodrafitrasam-panjakana any amin’ny Kaominina Fenoarivobe, Faritra Bongolava. Kaominina ambonivohitra anefa izy no sady renivohitry ny Distrikan’i Fenoarivobe ihany koa. “Zara raha mba misy mahatsiaro ihany koa izany Kaominina sy Distrika izany ka somary tavela mihitsy. Fotoana izao mba hitodihana any”, hoy ny nambaran’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Araka izany, nitarika ny asa fanarenana ny fotodrafitrasa any amin’io toerana io ny Loholona tamin’ny alalan’ny hetsika “Tagnamaro”. Ity farany, raha tsiahivina, dia lalan-tsaina napetrak’i Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, natao hanarenana fotodrafitrasa iray amin’ny alalan’ny fifanomezan-tanana sy fampandraisan’andraikitra ny rehetra. Nahitam-pahombiazana hatrany izany.

Hatramin’izay nitsanganany dia tsy nisy mihitsy ny asa fikojakojana ny biraon’ny Kaominina Fenoarivobe. Nirosoana, noho izany, ny Tagnamaro mba ho fanarenana io fotodrafitrasa io. Nandray an-tanana ny fanavaozana sy ny fanarenana ny biraon’ny Kaominina ny Loholona sy ny Ben’ny Tanàna, niaraka tamin’ireo fokonolona tany an-toerana. Maro ny asa fanamboarana natao. Anisan’izany ny tafo, ny valin-drihana, ireo varavarana rehetra, ny “dallage”, hatramin’ny famelomana indray ny loko. “Asa be no natao kanefa tena tsapa ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny tompon’andraikitra rehetra”, hoy ny loholona. Vita tanteraka ny asa rehetra tamin’ny alatsinainy teo. “Feno fankasitrahana an’ireo rehetra nifanome tanana aho. Ary mbola resy lahatra fa ahafahana manavao sy manarina fotodrafitrasa maro izany Tagnamaro izany. Nanohina ahy manokana ny fandraisan’ny vahoakan’i Fenoarivobe sy ny fanotronan’izy ireo marobe namaly ny antso”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.

Ankoatra io fanarenana fotodrafitrasa io moa, nisy ihany koa ny fikarakarana raharaham-pitsarana mitety vohitra tany amin’io Kaominina Fenoarivobe io, nahafahana nanome kopia ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona mbola tsy nisitraka izany. Tsikaritra fa maro ireo ankizy mbola tsy manana io soram-piankohonana io any an-toerana. Rehefa vita ny fitilian’ny mpitsabo, feno tsara daholo ny antontan-taratasy dia mamoaka didim-pitsarana ny mpitsara ary amin’ny alalan’iny no anomezan’ny Ben’ny Tanàna kopia ara-dalàna. “Asa be no nataonay tany Fenoarivobe nahafahana namoaka ny didim-pitsarana sy nanome kopia an’ireo zaza sy ankizy ireo. Na ny fikirakirana izany antontan-taratasy an’arivony izany aza, ny fikirakirana ny lafiny “informatika” namoahana ny didim-pitsarana sy ny kopia avy eo”, hoy hatrany ny tatitry ny Loholona. Araka izany, miisa 2 000 ireo ankizy nisitraka io tolotra io tao Fenoarivobe nandritra ny raharaham-pitsarana sy ny fanomezana kopia faobe natao nandritra ny 2 andro, ny 5 sy 6 mey lasa teo. Tanjona amin’ny fanatanterahana io hetsika io ny hanampiana ireo ankizy sy ny ankohonany. Maro amin’izy ireo mantsy no hiatrika fanadinam-panjakana kanefa tsy manana kopia akory. Manampy betsaka amin’ny fanalana ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny io hetsika natao io.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer