Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ADY AMIN’NY ZAVA-MAHADOMELINA : Rongony 2500 fototra tamina velarantany 2 Ha tra-tehaky ny Zandary

Nandritra ny fisafoana fanaon’ny zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Ambararata, dia rongony na jamala 2500 fototra voavoly tao amin’ny tany 2 ha eo ho eo, tao amin’ny tanàna atao hoe Dronavalo, fokontany Betaimboraka, kaominina Ambararata, Distrikan’i Befandriana Avaratra, no sarona ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Marihina fa tsy nisy olona tratra teo amin’ny tany nambolena rongony. Na izany aza, efa mandeha kosa, ny fanadihadiana amin’izay olona mety ho tompon’io voly rongony, amina velarantany midadasika io. Nongotana avy hatrany ireo jamala ary nodorana teo no ho eo. Noho ny voka-dratsy ateraky ny fidorohana zava-mahadomelina, dia tsy mandefitra ny zandary ao amin’ny Faritra Sofia, ary manao ezaka araka izay tratra,  momba ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina. Nanaovana fanentanana manokana, tamin’ny alalan’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana ireo fokontany manodidina, mba hiala amin’ny fambolena sy fifohana rongony. Mbola mankasitraka sy manantena fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny fokonolona hatrany moa ny Komandin’ny Vondron-tombim-pileovana Sofia, ny Kly Hajatiana Ralaikoto, amin’ny fanomezana vaovao marim-pototra sy ara-potoana, mba hahafahana mamongotra ny ratsy rehetra ao amin’ny Faritra Sofia. Raha misy manam-baovao moa, ka mahita na mahalala toerana misy ny fambolena rongony, hampilaza haingana amin’ny mpitandro filaminana, fa hongotana sy ho dorana avokoa izany.

Heloka bevava…

Tiana ny manamarika fa heloka bevava mety  mahavoasazy asa an-terivozona 5 hatramin’ny 20 taona miampy lamandy na/ny iray amin’ireo ny fambolena, famokarana, fanamboarana, fanodinana, fanondranana, fitaterana eto an-toerana na mankany ivelany, fanomezana, fivarotana, fitsinjarana, fanaparitahana, fanaterana, fandefasana, fividianana, fihazonana zava-mahadomelina tahaka ny rongony na jamala. Heloka mavesatra mety mahavoasazy 5 ka hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy  na ny iray amin’ireo koa ny fanamorana ny fidorohan’ny sasany zava-mahadomelina mahery vaika na amin’ny alalan’ny fampidirana azy ireo ao an-trano na fanomezana fomba hafa hahafahany midoroka, na fanomezana zava-mahadomelina ao anaty taratasim-panafody fantatra fa tsy ilaina akory. Ny fanekena hanome zava-mahadomelina mahery vaika amin’ny fampisehoana taratasim-panafody fantatra mazava fa tsy ilaina akory, ny fampifangaroana zava-mahadomelina mahery vaika amin’ny sakafo, dia mahavoasazy.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer