Songadim-baovaoSosialy

SINOA – CENHOSOA : Haharitra 12 andro ny fandidiana ireo sima sy takaitran’ny may

Nanomboka ny 5 mey lasa teo hatramin’ny 17 mey 2025 izao, dia misy ny fandidiana maimaimpoana tontosain’ny HIS Foundation, fikambanana Kristianina sinoa mpanao asa soa, ao amin’ny Cenhosoa. Ity iraka ataon’izy ireo ity, dia miompana amin’ny fandidiana ireo ankizy sahirana, manana fahasembanana eo amin’ny molotra na ativava ary ireo manana fahavoazana sy fahasembanana amin’ny tongotra sy tanana na misy takaitra noho ny fahamaizana. Miara-miasa akaiky ireo mpandidy avy amin’ity fikambanana ity sy ireo mpitsabo ao amin’ny Hopitaly Miaramila, tarihin’ny Mpitsabo Kolonely Ramangason Jacques Adrien, amin’ny fanatanterahana izao iraka izao, izay tonga amin’ny andiany faha-11 ankehitriny. Ankizy miisa fito no efa niatrika fandidiana hatramin’izao.

Marihina fa ankoatra ny fandraisan’ ireo Sinoa anjara amin’ny alalan’ireo mpandidy, dia misy koa ny fitaovana natolotry ny Fikambanana Kristianina misy azy ireo, enti-manatanteraka izao iraka atao eto Madagasikara izao. Mijery akaiky ny fizotran’ny fandidiana ny Tale teknika eo anivon’ny Hopitaly, ny Mpitsabo Jeneraly Randriantsara Iharijaoniaina Joe, amin’ny fahalavorarian’izao iraka izao. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny toromarika avy amin’ Andriamatoa Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy, amin’ny fanarahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, miompana amin’ny maha olona koa izao hetsika izao.

Nangonin’i Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer