Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANAPARITAHANA HORONAN-TSARY MAMOAFADY AN-JAZA: Vazaha iray voasambotra, nampangain’ny solosaina nampiasainy

Teratany vahiny iray saron’ny Polisy tao Mahajanga tamin’ny fanaparitahana horonan-tsary mamoafady zaza tsy ampy taona. Fiaraha-miasan’ny Polisin’ny “Cybercriminalité” Antananarivo sy Mahajanga, ary fikambanana iray any Amerika, no nahatrarana azy io. Entiny manao fitadiavana izao asa ratsy nataony izao, ary efa naiditra am-ponja vonjimaika ity farany…

Lehilahy iray teratany vahiny 69 taona no voasambotry ny Polisy miady amin’ny heloka anabaka na “cybercriminalité” Mahajanga, ny Alatsinainy 05 Mey teo, tao Amborovy. Ity farany, izay nanaparitaka horonan-tsary mamoafady atao amin’ny zaza. Rehefa nahazo alalana tamin’ny fitsarana tao Mahajanga ny Polisim-pirenena, izay niaraka tamin’ny Sampana Cybercriminalité avy aty Antananarivo sy ny any Mahajanga, dia niroso tamin’ny fisavana ny tranon’io vazaha io, niaraka tamin’ny fisamborana azy. Sarona tamin’izany avokoa ny solosaina fampiasany miampy ny fitaovana maromaro hanaovany io asa ratsy io, izay nahitana porofo avokoa mikasika izany rehetra izany. Marihina, fa fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin’ny sampan-draharahan’ny Polisimpirenena malagasy miady amin’ny heloka anabaka sy ny fikambanana “Child Rescue Coalition” any Etazonia no nahafantarana ny fisian’io teratany vahiny io manao ity fitadiavam-bola amin’ny alalana fanaparitahana horonan-tsary mamoafady mahakasika zaza tsy ampy taona mianga avy any Mahajanga ity. Marihina ihany koa, fa ny firenena maneran-tany mihitsy no miady amin’ny fanararaotana ara-nofo atao anabaka mianjady amin’ny ankizy tahak’izao, ka izao nahitam-bokany izao hatrany.

Tsiahivina hatrany ny voalazan’ny lalàna

Manamafy hatrany ny ady amin’ny herisetra sy ny fanararaotana mamoafady mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona ny Fitondram-panjakana ankehitriny, raha tsiahivina. Misy araka izany, ny lalàna mifehy ny heloka anabaka mikasika ireny karazana fandikan-dalàna atao amin’ny zaza tsy ampy taona ireny, eo anatrehan’ny fanaparitahana sary sy horonan-tsary tsy mendrika an-tambazotran-tserasera, dia ny lalàna laharana 2014-006, ao amin’ny andininy faha 22. Hita ao anatin’izany, fa ny fanaovana horonan-tsary manana endrika mamoafady mampiseho an-tsehatra ankizy ny fampisehoana amin’ny fomba rehetra, ankizy manao fihetsiketsehana momba ny firaisana ara-nofo mivantana, tena izy na miafina, na izay rehetra fampisehoana ireo taovam-pilahiana na fivavian’ankizy iray, izay manana tanjona filāna ara-nofo dia sazian’ny lalana 02 hatramin’ny 05 taona an-tranomaizina, miampy fandoavana onitra 2 000 000 ka hatramin’ny 10 000 0000 Ariary. Tsy vao izao no nisy vahiny manao fanararaotana ara-nofo ankizy tsy ampy taona tahaka izao teto amintsika, ary ny maro amin’izany dia miitatra manaraka ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny fivoarany avokoa, toy ity famarotana horonan-tsary an’ankizy ity. Izany indrindra no mahatonga ny Mpanao lalàna namorona amin’ny lalin-dalina kokoa ny lalàna mifehy ny heloka mamoafady, fa indrindra ny herisetra ara-nofo atao amin’ny zaza sy ankizy tsy ampy taona. Anisan’izany ny famosirana ireo meloka voaporofo nanolan-jaza tsy ampy taona efa namoahana didy fampiharana. Efa natolotra ny fampanoavana io teratany vahiny io, ny Alarobia 07 Mey lasa teo, ary natao am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer