Songadim-baovaoToekarena

TELEFERIKA ANOSY-AMBATOBE: Hisantarana ny fanokafana ny zotra ny amin’ny volana aogositra 2025

Efa eo an-dalam-pamaranana ankehitriny ny fametrahana ireo tariby amin’ny tetikasa fitaterana an-tariby, ho an’ny zotra volomboasary Anosy-Ambatobe, raha ny nampitaina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahana tamin’ny alarobia lasa teo. Ankoatra io dia asa tanterahana amin’izao fotoana ihany koa ny fanaovana ireo andrana ara-teknika rehetra. Nankatoavin’ny Filan-kevitra, noho izany, ny fampitana am-bava mahakasika ireo.

Maro ireo olona efa dodona amin’ny fampiasana io endrika fitaterana vaovao eto Antananarivo io. Hamaha ny ampahany betsaka amin’ny olan’ny fitaterana eto an-drenivohitra ny fampandehanana azy satria hanena kokoa ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ankoatra io dia hiena ihany koa ny fotoana lanin’ireo mpandeha eny an-dalana. Manaja tanteraka ny fenitra ara-tontolo iainana io endrika fitaterana io.
Fantatra tamin’io alarobia io ihany, araka izany, fa hisy ny fampandehanana manokana io zotran’ny fitaterana an-tariby mampitohy an’Anosy sy Ambatobe io mandritra ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC izay ho tanterana amin’ny volana aogositra 2025. Aorian’izay dia hisokatra ho an’ny daholobe ny fitaterana.
Mahakasika ny herinaratra entina hampihodinana azy indray, nohantitranterin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina fa hisy ny fametrahana toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, hamokatra 5MW, natokana ho an’ny fampandehanana ny fitaterana an-tariby. Tsy misy ahiana, araka izany, ny herinaratra ampiasaina ho an’io teleferika io. Mamaly ny fanontanian’ny rehetra manoloana ny olan’ny fahatapahan-jiro miseho matetika eto an-drenivohitra io fanazavan’ny Filoha io.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer