PolitikaSongadim-baovao

FILOHA ANDRY RAJOELINA : « Tsy mendrika adihevitra mirefarefa amin’ny tany ny vahoaka malagasy »

Notsindrian’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ireo fandraisam-pitenenany, tamin’ny fanolorana ireo tetikasa lehibe eny Ivato sy amin’ny Rocade Tsarasaotra, omaly, fa miasa anatsarana ny fiainan’ny mponina sy ampandrosoana ny firenena no adidy napetraky ny vahoaka taminy. Araka izany, tsy ataony ho sakana velively ireo tsikera avy amin’ireo mpanohitra. “Izaho rehefa mifoha ny maraina dia mieritreritra hoe inona ny atao ampandrosoana ny Firenena. Fa ny sasany raha vao mifoha, dia mitady hoe inona indray ny tsikera ho atao ?”, hoy izy. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa “isika dia miasa fa tsy hanaiky hakivian’ny mpanatsatso sy ireo misakana ny fampandrosoana. Ny mpanohitra dia mitsikera no asany, fa ny asako kosa, dia ambony alavitra noho ny tsikera sy ny resaka amoron-dalana. Tsy hanao adihevitra mirefarefa amin’ny tany isika satria tsy mendrika izany ny vahoaka malagasy”. Nahitsy ny Filoha nanambara fa “samihafa ny asan’ny mpanohitra sy ny mitsikera. Ny mpitsikera tsy mitovy mihitsy amin’ny olona miasa. Ny fankahalana, ny fialonana tsy hitondra mihitsy amin’ny fampandrosoana”. “Ny fahavalom-pirenena ihany no tsy faly amin’ny fampandrosoana”, hoy hatrany izy nanazava.

Tao anatin’ireo lahateniny hatrany dia nomarihin’ny Filoham-pirenena fa “misy ny olona nateraka anohitra mandrakizay, fa misy kosa, ny natao anorina sy ampandroso. Misy fahasoavana sy talenta ireny. Misy fahasoavana avy amin’Andriamanitra. Misy olona na hianatra sarisokitra mandra-pahafatiny dia hivilana foana, tsy mety. Tsy azo terena io fa misy fiantsoana manokana. Nanteriny fa mino sy mahatoky izy fa nahazo Iraka avy amin’Andriamanitra ampandrosoana an’i Madagasikara. Nanao tsipy teny ny Filoha fa mila ny vahoaka malagasy hanampy azy hanatanterahana izany vina izany.

 Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer