SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY COVID-19: Nanolotra « Ambulance » enina ireo mpiara-miombon’antoka

Fiara mpitondra marary tsy matahodalana miisa enina, no natolotry ny « Fondation BOA » sy ny « Madagascar International Container Terminal Services » ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, 14 Septambra 2020. Nisolo tena ny Fitondram-panjakana nandray ireo fiara ireo teny amin’ny CCI Ivato izay toerana misy ny CCO amin’izao fotoana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sady filoha lefitriny CCO, Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Vonona hatrany ny minisitera handray sy handamina ireo fanomezana ireo mba tena hisy fiantraikany any amin’ny vahoaka ny fananana azy. Haparitaka any amin’ireo toerana saro-dalana ireto fiara tsy matahodalana azy, hoy ny fanazavana. Nandritra ny lahateny izay nataony, nanambara ny Minisitra fa nahitam-pahombiazany tanteraka ny paikady napetraky ny Fitondram-panjakana, notarihin’ny Filoha sy ny Praiminisitra, ka nampihena ny isan’ireto tranga voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19. Hanampy betsaka amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary mbola anaty fitsaboana noho izany ireo fiara ireo. Ankoatra izay, naneho ny fisaorany ireto mpiara-miombon’antoka ireto ny Minisitra tompo’andraikitra, amin’izao tolo-tanana ataon’izy ireo izao. Hanome fahasalamana manaja ny maha olona ho an’ny vahoaka malagasy (Humanisation des Soins), hoy izy, ny fananana ireto Fiara tsy mataho dalana ireto. « Mbola mitohy ny ady amin’ny Coronavirus ka ilaina ny fanomezan-tanana tahaka izao » hoy ny Minisitra.

Tags
Fermer