PolitikaSongadim-baovao

PDG MAMINIAINA RAVATOMANGA : Ny soatoavina voizin’ny Vondrona Sodiat no namaliany ireo mpitsikera

Anisan’ny Vondrona orinasa ianjadian’ny tsikera mamaivay hatrany ny Vondrona Sodiat sy ny Filoha Tale Jeneraliny, ny PDG Maminiaina Ravatomanga, eo amin’ny tontolo ara-toekarena sy ara-politika eto amintsika. Ny faran’ny herinandro teo, nampita hafatra tao amin’ny tambazotran-tserasera ny Filoha Tale Jeneraliny, nanasongadina ireo foto-kevitra sy Soatoavina voizin’ny orinasany, izay mifanipaka tanteraka amin’ireo tsikera iniana aely.

Mpandraharaha malagasy anisany manana ny toerany eto amin’ny firenena ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Sodiat, andriamatoa Maminiaina Ravatomanga. Mivelatra sy miroborobo ny Vondrona orinasany, izay ahitana mpiasa efa maherin’ny 4 000 ankehitriny. Noho izany indrindra dia tsy vitsy ireo mitondra tsikera, mety ho noho ny antony ara-politika satria mpiara-miasa akaiky amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny tenany, na mety ho noho ny antony hafa koa ? Ny faran’ny herinandro teo, naneho hevitra tao amin’ny tambazotran-tserasera ny PDG Maminiaina Ravatomanga, izay sady nampitany hafatra ihany koa ho an’ireo mpitsikera.

Notsindriany fa hery tena izy ho an’ny Vondrona Sodiat ireo mpiara-miasa 4000. “Tsy afaka mitombo ny orinasa iray raha tsy miara-mitombo aminy koa ireo mpiara-miasa », hoy izy. Foto-pinoana nambolena ho tahaka ny voa tamin’ny taona 1990, no efa lasa baobaba misy rantsana an’arivony ankehitriny. Maherin’ny 4 000 ny mpiara-miasa mitondra ny soatoavina iombonana. Sehatr’asa 10 no mampisosa ny fo ara-toekaren’i Madagasikara. Faritra 5 no vavolombelon’ny fandraisana andraikitra ataon’ny Vondrona Sodiat, araka ny fanazavany.

Tsy fitondrana orinasa fotsiny no ataoko, fa fanajariana lova. Ary manana endrika io lova io: ireo lehilahy sy vehivavy izay misafidy isan’andro ny hampandroso an’i Madagasikara am-pitiavana”, hoy hatrany ny PDG Maminiaina Ravatomanga. Ankehitriny, ao ambadik’ireo rafitra tsirairay dia ahitana rohy mivaingana, fahaiza-manao, ary lalam-piasana maniry sy maniry hatrany. “Ho an’ireo mpitsikera, dia mandroso izahay ka ny soatoavina no valinteninay: ny asa, ny fitiavana ary ny fanoloran-tena. Ho an’ireo mpiara-miasa, ianareo no herinay: tsy afaka ny ho rava ireo zavatra natsangantsika niaraka, fa manome aingam-panahy maharitra. Misaotra anareo, fianakaviana Sodiat », hoy ny hafatra napetrany.

LR.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer