PolitikaSongadim-baovao

FANOLORANA VOLAVOLANA RIJATENIN-DALANA : « Ezahina ny hitondra fivoarana ara-drafitra eo amin’ny seha-pihariana omby »

Taorian’ny fakan-kevitra rejionaly ho an’ny Faritra Analamanga, natao tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny Antenimierandoholona, omaly , dia niroso avy hatrany tamin’ny fanolorana ny volavolana rijatenin-dalàna momba fanisana sy ny vaksiny ary ny fanarahamaso ara-pahasalaman’ny omby ny Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Notsipihiny ny maha zava-dehibe ny fametrahana ity tolo-dalàna ity izay tsy manafoana velively ny lalàna efa misy, dia ny lalàna 2006-030 izay miresaka mahakasika ny sehatry ny fiompiana amin’ny ankapobeny, fa mameno izay voalaza ao kosa. Izany hoe, ity volavolana rijatenin-dalàna mahakasika ny omby ity dia hifantoka fotsiny amin’ny seha-pihariana omby, izay manana anjara toerany lehibe eto amin’ny firenena.

Araka ny fanazavana, olana maro no mbola sedrain’ireo mpisehatra ao anatin’ny seha-pihariana omby, izay tsy voavaha efa an-taonany maro. Isan’izany, ohatra, ny fikarakarana ireo taratasin’omby izay be loatra ireo pitsopitsony tsy maintsy arahina, hany ka maro amin’ireo mpiompy omby no tsy mahatanteraka izany araka ny tokony ho izy, ka manome vahana ny famotsian’omby. Mazava ho azy, rehefa sarotra ihany koa ny fikarakarana ny antontan-taratasy dia mahazo vahana ny resaka kolikoly, araka ny fanazavan’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy hatrany. Izany indrindra no antom-pisian’ity volavolan-drijatenin-dalàna ity izay hamaha izany olana amin’ny resaka fikarakarana antontan-taratasy izany.

Ho faritana mazava ao anatin’ny tolo-dalàna koa ny andraikitry ny mpisehatra tsirairay mba tsy hisy ny fanararaotam-pahefana, izay mambotry ireo mpisehatra. Tanjona, hoy ny fanazavana, ny hahafahana mampangarahara ny seha-pihariana omby. Eo koa ny fampihenana ny valanaretina mpahazo ny omby, ary ny fiarovana amin’ny fifanakalozana ao anatin’ny sehatra, mba hanafoanana ny kolikoly. « Ezahana mihitsy ny hitondra fivoarana ara-drafitra amin’ny seha-pihariana omby », hoy ny fanazavan’ny Loholona nitondra ny tolo-dalàna.

Araka ny fandaharam-potoana moa dia amin’ity anio ity no handalo ao amin’ny Vaomieran’ny lalàna eo anivon’ny Antenimierandoholona ity volavolana rijatenin-dalàna ity, hakana ny « avis de recevabilité ». Aorian’izay vao mankany amin’ny Governemanta, hakana ny hevitr’izy ireo. Rehefa izany, dia miditra asam-baomiera ao amin’ny Antenimierandoholona amin’izay ilay tolo-dalàna, ary mitohy any amin’ny Antenimierampirenena, toy ny fomba fandaniana lalàna rehetra ihany.

Tsara ho fantatra fa anisan’ny natolotra omaly koa ny volavolana rijatenin-dalàna momba ny fombafomba tokony hatao amin’ny fampiatoana na fanesorana Ben’ny tanàna eo amin’ny toerana ao anatin’ny fanatanterahana ny asany.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer