Songadim-baovaoToekarena
TOHODRANON’I SAHOFIKA : Laharam-pahamehana ny famokarana angovo azo havaozina
Laharam-pahamehana ny famokarana angovo azo havaozina satria izay no hahafahantsika mampandroso amin’ny fomba maharitra an’i Madagasikara. Mikasika indrindra ny famatsiam-bolan’ny tobim-pamokarana angovo azo avy amin’ny tohodrano Sahofika no nivahinianan’i Kevin Kariuki, filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana na BAD eto Madagasikara. Ny Banky afrikanina no mpandrindra ny rafitra famatsiam-bola. Voasoania taorian’ny fivoriana omaly, ny fidiran’ny Fanjakana Malagasy amin’ny taha 49% anatin’ny petrabola, amin’ny alalan’ny « Fonds Souverain » Malagasy. Midika izany fa tetikasa misy fandraisana anjara an’i Madagasikara izy ity, fa tsy hoe an’ny sehatra tsy miankina irery. Ny « Neho » dia orinasa hitondra fivelarana ho an’ny tetikasa. Koa rehefa vita ny tetikasa dia manomboka mamokatra ary ny Neho no mivarotra angovo ho amin’ny Jirama. Ny sonia faharoa, satria ny Neho tany aloha tany, efa nanana fifanarahana nahafahany namelatra ny tetikasa eo amin’ny toerana ary efa nisy fifanarahana mazava teo amin’ny fifidianana ny angovo tamin’ny Jirama. Ny fifanaovan-tsoina teo amin’ny Neho sy ny Minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, dia tena ilaina tokoa. Zava-dehibe ireo sonia ireo, satria manamarika ny fitohizan’ny fivelarana ny tetikasa Sahofika. Herinandro vitsy, nisy tranga toy izao koa ny tetikasa Volobe, niditra tao anatiny ny EDF dia tsy maintsy nanao sonia aloha ny samy tompon’ny fampiasam-bola hamokatra angovo ary hivarotra ny angovo amin’ny Jirama, rehefa vita ny tetikasa. Midika izany fa any aoriana any toy ny orinasa rehetra rehefa afaka mamokatra tsara, dia misy ny tombony ho an’ny mpandray anjara, ary isan’ny mahazo ny vola koa ny avy amin’ny Fanjakana malagasy.
Fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisampirenena
Taloha 20% izao lasa 49%. Iza no manohana ara-bola antsika amin’ny fidirana ny Neho? Zava-dehibe tokoa ao anatin’ny fampandrosoana, dia ny fiarahantsika miasa amin’ny Banky iraisampirenena ho an’ny fampandrosoana. Izy ireo izay efa mpiara-miombona antoka amintsika mahazatra, toy ny Banky iraisampirenena, izay mamatsy vola amin’ny tetikasa maro. Eo amin’ny sehatry ny angovo, dia manana fiaraha-miasa maro amin’ny BAD isika na ny Jirama na ny minisitera. Nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina « fa ny fampandrosoana amin’ny « centrale hydroélectrique » dia somary elaela kokoa satria lehibe ny tetikasa. Miditra anaty ala, amin’ny toerana sarotra idirana; manamboatra ny tohodrano, sy zavatra maro, mametraka ny milina famokarana sy ny maro hafa. Ny Sahofika izay tetikasa fanamboarana « centrale hydroéléctrique » 192-200 MW eo amin’ny renirano Onive. Eo amin’ny 100 km miala eto Antananarivo, ary eo Antanifotsy no mitsofoka Ny Themis ilay nanao sonia teo, ilay « Eranove », ary ilay teo aloha atao hoe « Eiffage ». Ity farany dia orinasa efa niala tamin’ny fifampidinihina, ny 2023.
Nangonin’i Pierre M.



