PolitikaSongadim-baovao

FAMETRAHANA NY FARITRA FAHA-23 : Nitohy tao Manakara ny atrikasa fakan-kevitra

Isan’ny Faritra midadasika indrindra eto Madagasikara ny Faritra Vatovavy Fitovinany, raha ara-jeografika. Distrika enina no mandrafitra azy, ahitana an’i Nosy Varika, Ifanadiana, Mananjary, Manakara, Vohipeno ary Ikongo. Sakana lehibe amin’ny fikarakarana antontan-taratasy sy fanaovana taratasim-panjakana anefa io fidadasiky ny toerana io. Tsy maintsy mandeha lavitra daholo ny mponina izay vao mahita biraom-panjakana, indrindra ny faritra.  Tsy izany ihany fa maro ireo fahasahirana ateraky ny fitambaran’ireo distrika ireo amina faritra iray. Tsara marihana fa ao Manakara ankehitriny no renivohi-paritra. Eo anatrehan’izany, tsy azo ihodivirana intsony ny tsy maintsy hizarana ho faritra roa ny Vatovavy Fitovinany. Izany hoe, hitokana ny faritra Vatovavy, ahitana an’i Nosy Varika, Mananjary ary Ifanadiana. Etsy ankilany, Ikongo, Vohipeno ary Manakara ka hatrany Namorona. Efa nisy hatrany ny fifampidinihana teo amin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny mahakasika io fizarana io. Farany teo, tao amin’ny renivohitr’i Manakara indray no natao ny fakan-kevitra. Hetsika izay notarihin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, sy ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. Ireo raiamandreny ara-drazana, raiamandreny ara-pinoana, mpanao politika, fikambanan’ny zanaka am-pielezana, olom-pirenena, no nasaina nitondra hevitra tamin’izany. Hevitra niraisan’ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fizarana ho faritra roa an’i Vatovavy Fitovinany. Tsiahivina fa efa fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina Andry ny hametraka ny faritra faha-23, dia ny Faritra Vatovavy izany. Tokana ny tanjona, dia ny mba hisitrahan’ny vahoaka marina ny tena fampandrosoana.

Tags
Fermer