PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERAMPIRENENA: Nolaniana ny tolo-dalàna manamafy ny sazin’ireo mpangalatr’omby sy mpiray tsikombakomba

Nampahafantarina omaly teo anivon’ny Antenimierampirenena nandritra ny “session plénière” ny tolo-dalàna laharana 004-2024/PL mikasika ny ady amin’ny halatr’omby. Nanolotra izany ny Solombavambahoaka Hyacinthe Befeno Todimanana, voafidy tany amin’ny Distrikan’Antsohihy. Nambarany fa tena sahirana sy mitaintany mafy manoloana ireo asan-dahalo ny vahoaka, indrindra ny mahakasika ny hakatr’omby izay miafara hatramin’ny famonoana matetika. Natao, noho izany, io tolo-dalàna io satria tsapa fa miteraka tsy fandriampahalemana ny halatr’omby izay hita manerana ny Nosy. Voamarika fa maro ireo mpangalatra omby no tsy voatazona any am-ponja noho ny antony maro samihafa ka miteraka horohoro ho an’ny vahoaka ny tranga toy izany. Tanjona amin’izao fanavaozana ny lalàna izao ny hisorohana ny halatr’omby, hamongotra hatramin’ny fakany ny tambazotran’ny dahalo ambony latabatra izay miaina ao anatin’ny halatr’omby, ary hanentana ireo mpanao ratsy mba hiala amin’izany sehatra maloto izany.

Nolanian’ireo Solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe, araka izany, io tolo-dalàna laharana 004-2024/PL io, rehefa nandalo fanitsiana sy fanovana. Mameno sy manova ny “ordonnance” laharana 60-106 tamin’ny 27 septambra 1960 mifehy ny halatr’omby izany, izay napetrak’ireo mpanao lalàna tamin’ny andron’ny fitondran’ny Filoha Tsiranana. Maromaro ireo fanovana hoentin’io lalàna vaovao io. Misongadina amin’izany ny fametrahana sazy mafimafy kokoa ho an’ny mpangalatr’omby ka hampiharana ny fanagadrana mandra-pahafaty raha toa ka miaro vono olona izany. Mahavoasazy 15 hatramin’ny 30 taona ny halatr’omby tsotra, arahina sesi-tany 25 taona any amin’ny faritany hafa. 5 hatramin’ny 20 taona ny sazy raha toa ka ny lalàna teo aloha no ampiharina. Noresahana ihany koa ny sazy ho an’ny mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra omby, mba hiadiana amin’ny fisian’ny tambazotra mamoaka ireo dahalo any am-ponja. Izany hoe raha misy manam-pahefana, mpiasam-panjakana, olom-boafidy na olom-boatendry voamarina fa miray tsikombakomba amin’ireo mpangalatr’omby, na mivantana na ankolaka, dia migadra mandra-pahafatiny. Nampitomboana koa ny sazy mihatra amin’ireo olona mpividy omby halatra. Nanamafy moa ireo Solombavambahoaka nandritra ny adihevitra fa ilaina hatrany ny fametrahana sy fanamafisana ny dina eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer